Webradio

POTIKA TANTERAKA NY LALAM-PIRENENA RN1 BIS : Tafakatra 150 000Ariary ny saran-dalana

Mitaraina fatratra  ireo mpandeha mivezivezy  mampiasa   ny lalam-pirenena  Rn1 bis, izay  mampitohy an’i Tsiroanomandidy  sy  Maintirano iny   amin’izao fotoana  izao.  21 février 2020

Potika tanteraka ny  lalana, voatery  midina tanteraka mihitsy  aza ireo mpandeha   mandray  anjara amin’ny  fanosehana  ny  fiara   raha  toa ka te ho tonga  soa aman-tsara.  Lalan-tany no  sady  ratsy  ka anisany  manahirana  amin’izao  vanim-potoanan’ny  fahavaratra izao. Marihina  anefa fa  efa tafakatra   hatrany  amin’ny  dimy  alina sy  iray  hetsy Ariary  be izao   ny  saran-dalana  noho io olana io. 

Mahatsiaro mijaly  tanteraka  araka izany  ny  mpandeha  satria  tsy  takatr’izy  ireo  intsony  ny  fanefana  ny  saran-dalana, manginy  fotsiny  ny  fotoana  lany  eny  an-dalana miampy  ny  fahasahiranana. Na ireo  mpamily  aza dia  nivaky  ihany  koa  fa fatiantoka  no hita  saingy ho fitsinjovana ireo  mpandeha dia   miezaka  mitondra  olona hatrany  izy ireo aloha hatreto. 

Manoloana  izany  indrindra dia mitaraina  amin’ny fitondram-panjakana  ny  vahoaka  monina amin’iny  Faritra iny  mba  hijery  akaiky  ny zava-misy  ka hamaha ny olana  faran’izay  haingana. Misy  fiantraikany  goavana  amin’ny  fiainana  andavanandron’ny  mponina  ny fahasimbana ka mahatsiaro  fangirifiriana izy  ireo.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés