Webradio

ARETINA « CORONAVIRUS » : Nohararaotin’ireo tsy mataho-tody ny mahazo ny Malagasy

Taorian’ny  fanambaràna ofisialy  notanterahin’ny  Filoha  Andry  Nirina  Rajoelina   mikasika ny fidiran’ny  valanaretina covid-19 entin’ny «   Coronavirus  » eto Madagasikara, ny zoma 20 marsa lasa teo iny dia samy  nandray fepetra  avokoa  ireo ankohonana maro manerana ny Nosy.  23 mars 2020

Areti-mandoza  efa nahafaty  olona  maro toy ny   tao  Sina, Espana, Italia sy  ny maro hafa… ny Coronavirus. Mivarahontsana  tanteraka izao  tontolo izao,  tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara ankehitriny. Olona miisa 03 izay  nahitana ny soritr’aretina   no nambaran’ny Filoham-pirenena  voalohany tamin’io fotoana io ka samy tokony  hitandrina avokoa ny tsirairay manomboka eto. Efa nivonona  tanteraka noho izany ny fanjakana  ary  efa nametraka ny paikady sy  fandaminana  rehetra handraisana ny marary.  

Eo koa ny fanidiana ny sisin-tany,  fanajanonana ny fampianarana, raràna ny  famoriam-bahoaka  na aiza na aiza, mihidy hatramin’ny  Fiangonana.  Mandritra ny 15 andro aloha ny  fepetra noraisina ka hita eo indray izay mety ho fivoarany. Miantso ny  Malagasy  rehetra ihany  koa ny Filoha mba samy ho tony  manoloana  ny toe-draharaha satria dia efa mitady ny vahaolana arak’izay  tratra izy ireo amin’izao fotoana izao. Maro anefa ireo vaovao miparitaka  vao mainka nampiteraka  ny savorovoron-tsaimbahoaka   saingy  tokana ihany   ny tokony harahin’ny vahoaka Malagasy  iray manontolo dia ireo toromarika  apetraky ny fitondram-panjakana. Ilaina  fitoniana ny fiatrehana izao aretina izao. 

Tsy  mitsahatra mampitandrina  sahady  ny olona milaza vaovao tsy marina, manakorontana  saim-bahoaka  hatrany   moa ny eo  anivon’ny mpitandro filaminana, manara-maso akaiky ny raharaha izy ireo.

Niaka-bidy avokoa ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro

Ny sabotsy  21 marsa lasa teo, nandeha nivoaka  ny trano  nanangona ireo entana tokony ho ilaina amin’ny fiainana andavanandro avokoa  ny ankabeazan’ny  mponina teto an-drenivohitra, eny  fa na hatrany amin’ny Faritra aza. Entin’ny tahotra loatra ny olona, hany ka nanao izay ho afany  nanangona izay azon’ny vola teny am-pelatanana aloha. Ny mampalahelo dia  ireo  tsy mba afaka manao izany  satria na ny sakafo hohanina anio aza efa mila tsy ho hita. Mbola tsy fantatra anefa  hatreto  izay mety  ho fivoaran’ny  fiparitahan’ny aretina. 

Etsy ankilany dia toa sahy  manararaotra izay tsy izy  mampiakatra ny vidin’entana ireo mpivarotra.  Tonga amin’ny fitenenana hoe «  manararao-paty, ny areti-mandoza efa mampihoron-doha, toa zaran’ireo tia kely  hamenoana ny paosiny   indray ny toe-java-misy  » . Maro  ireo nitaraina  kanefa tsy  afa-manoatra noho ny  tahotra diso  tafahoatra, eny fa na dia misy  aza ny laharana an-tariby  napetraky ny  eo anivon’ny Minisiteran’ny varotra  sy  ny Indostria azo antsoina  raha sendra  ka mahita tranga fanararaotana mahazo ny mpividy dia  maro no tsy nahavita niantso ny laharana intsony  fa dia  nanaiky ny fanararaotana natao  azy ireo. 

Teto  Antananarivo, toy ny teny amin’ny tsenan’Andravoahangy sy tsenan’Anosibe , Ambohipo sy ny hafa izao  dia  niakatra avo roa heny  ka hatramin’ ny dimy heny any ho any  mihitsy  ny vidin’entana  nandritra io sabotsy  tontolo io, nifanitsa-kitro ny olona, nilaharana  hatramin’ ny  lasantsy  mihitsy  aza, nisy mantsy ireo nikasa ny hody  any  ambanivohitra  ary  maro  no efa  lasa nifindra monina. Tranga hita teny ho eny  ny fahamaroan’ny  olona handeha hody  teny  amin’ny toby fiantsonana Andohatapenaka sy ny teny  amin’ny Fasan’ny karàna iny faran’ny  herinandro lasa teo iny hatrany.

Tsy taka-bidy intsony ny sakamalao, tongologasy, voasary makirana…

Nidangana izay  tsy izy, saro-tadiavina toy ny volamena mihitsy   teto ny  sakamalao, tongologasy, voasary makirana. Nampiakatra ny vidin’izany  daholo noho izany ireo mpivarotra manerana  an’i Madagasikara fa toa hoe  : «     miaro sy misoroka  ity areti-mandoza ity ny  fihinanana azy ireo  isan’andro, hany  ka dia  nikasa ny hanangona izany avokoa Ramalagasy  kanefa ny mpanararaotra nanao ny nataony ihany  eo  anatrehan’ny raharaha ». Lasa 15000 Ariary ny kilaon’ny voasary makirana   raha toa ka roa arivo ariray  ny kilao  teo aloha teo, arivo Ariary  be izao ny singany. 

Niakatra roa arivo sy iray  alina Ariary  ny  kilaon’ ny sakamalao raha toa ka  efatra arivo Ariary ny  kilao teo aloha, roa alina Ariary kosa  ny kilaon’ny  tongologasy raha valo arivo Ariary  izany teo aloha. Ny vary  efa tsy nahitana firy intsony  teny amin’ny mpamongady. Betsaka araka izany  ireo nimenomenona eo anatrehan’ny tranga satria dia toa sahy tsy mifampitsinjo intsony ny Malagasy nefa ao anatin’ny ady sarotra no lalovan’ny  Firenena.

Nilaharana izay tsy izy ny fivarotam-panafody

Tranga hita  nandritra iny  faran’ny  herinandro teo iny ihany koa  ny  filaharam-be teny anivon’ny  fiavarotam-panafody maromaro teto an-drenivohitra sy ny  manodidina. Ny vitamine C sy  fanampenam-bava  ary  koa   fanasan-tanana no tena be mpitady   nilaharana tamin’io fotoana io. Ao anefa ireo   fiavarotam-panafody  nilaza fa tsy  manana intsony  ny ankabeazany, ny  vidiny rahateo koa efa niakatra  tsy  hay vidiana sady tsy takatry ny  besinimaro  intsony. Nisy tamin’ireo tokantrano  sasantsasany  moa  no tonga dia nisafidy   nanamboatra  ny fanampenam-bava rehefa tsy  nahita intsony.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés