Webradio

ANTSALOVA : Maty voatifitra i Sopa mpamaky fasana sy efa nahafaty zandary

Nandritra ny fampandrian-tany notontosain’ny Zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Maintirano tao amin’ny Distrikan’Antsalova iny no maty voatifitra i Sopa, ny 20 septambra lasa teo. 22 septembre 2020

 Dahalo raindahiny nampihorohoro tao amin’iny Faritra iny ity maty ity araka ny fantatra.

Araka ny loharanom-baovao voaray dia jiolahy ikoizana ity farany ary maro ny vesatra nanenjehana sy nikarohana azy efa hatry ny ela. Rasoanjara Magnarivo no tena anarany, 26 taona, zana-dramatoa Germaine raha toa ka tsy fantatra kosa ny rainy ary nipetraka tao Andobomainty Besaraha, kaominina Soahany, distrikan’Antsalova. Betsaka ny fitarainana avy amin’ny mponina momba azy ka anisany tompon’antoka tamin’ny famonoana zandary iray tao Ambizo, Kaominina Antsondrodava, ny taona 2017 ity dahalo ity. 

Ankoatra an’io dia mbola nangalatr’omby tao Soahany, tamin’ ny 09 septambra 2020 teo izy ary namaky fasana tao Ankiririaka, ny 19 jolay lasa teo ihany. Manginy fotsiny ny vaky trano nataony tao an-tanàna, hoy hatrany ireo mponina. Hatreto, tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony ny lehilahy satria lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Mbola misy olon-dratsy namany miisa roa izay mipetraka ao Ankiliro no karohina amin’izao fotoana izao, ka ny Zandary avy ao Bemonto no misahana ny raharaha. 

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés