Webradio

NIDITRA AN-TSEHATRA NY MINISITERA : Homarihina miaraka ny Taom-baovao Malagasy atsy ho atsy

Niteraka adihevitra be teo amin’ny samy mpandala ny nentin-drazana ny fotoana hanamarihana ny Taom-baovao Malagasy eto amintsika, tao ho ao.  22 septembre 2020

Mandray ny andraikiny amin’ny fandravonana izany ny minisitera misahana ny serasera sy ny kolontsaina ankehitriny ary hivoaka tsy ho ela ny tsoa-kevitra iraisana.
Ho voarindra atsy ho atsy ny fotoana hanamarihana miaraka ny vanim-potoana iraisana amin’ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy. 

Nampahafantarin’ny tale jeneralin’ny kolontsaina, Razafiarison Francis, nandritra ny fotoam-pankalazana io vaninandro io izay notontosain’ny fikambanana 
«  Malagasy mandala fihavanana », MAMAFI, teny Ambohijanahary, ny faran’ny herinandro teo ny vaovao. «  Tapaka tamin’ny fikaonan-doha niarahan’ny fikambanana ara-drazana maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy tamin’ny taona 2016 ity fankalazana iraisana amin’ny tsinam-bolana amin’ny volana septambra ity mba ho fampiraisana ny Malagasy saingy tsy maintsy naverina indray ny fakan-kevitra, amin’izao fotoana izao, noho ny fitsipahan’ny sasany tamin’ireo mpivory io fifanarahana io taty aoriana  », hoy izy. Nomarihiny fa ny tapaky ny raiamandreny ara-drazana sy ireo fikambanana mpiaraka aminy ihany no hankatoavina, hialana amin’ny mizàna tsindriana ila.

Nomarihiny kosa fa adidy amin’ny maha tompon’andraikitra amin’ny raharaha ara-kolontsaina eto amin’ny Firenena no nahatongavany namaly ny fanasan’izay rehetra niantso azy amina hetsika fankalazana Taom-baovao ara-drazana toy izao, fa tsy midika ho fombana izay natrehiny akory, hisorohana ny fifandroritan-kevitra. Nomarihina teto an-drenivohitra tamin’ny faran’ny herinandro teo ity fotoam-pankalazana ity, ka nahemotra ho amin’ny 2021 ny fanamarihana azy any Mahajanga, ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.

Makoalahy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés