Webradio

TAOLAGNARO : Tsy mbola mivaha ny olana mikasika ny fitrandrahana fasimainty

Tsy mbola mivaha tanteraka ny olana mikasika ny fitrandrahana fasimainty ao Andrakaraka Amparihy, Kaominina Taolagnaro.  24 septembre 2020

Araka ny fitarainan’ireo mponina, misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’izy ireo ny fako sy ny loto avy amin’ny fitrandrahana ataon’ny orinasa QMM.  Ny fisian’ny fantsona famoahan-drano maloto lehibe any an-toerana no tena antony mahatonga izany, raha ny nohazavain’ireo tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa mpitrandraka fasimainty ity. 

Efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny teo anivon’ny Minisiteran’ ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy niaraka tamin’ ny Governoran’ny faritra Anosy sy ny solombavambahoaka ary ny ben’ny tanàna voafidy tao Taolagnaro, tamin’ity herinandro ity, saingy tsy mbola niravona ny disadisa. Mizara roa mantsy ny hevitr’ireo mponina mahakasika ny fitrandrahana. Ny andaniny, mankasitraka ny fandaminana sy manaiky ny tetikasa hitsinjovana ny toekarena sy ny sosialy, izay napetraky ny QMM ao Andrakaraka tantanan’ny ONG AGEX. Ny ankilany kosa mitsipaka izany sady nampiaka-peo fa kely loatra ny tamberina avy amin’ny orinasa amin’ ny alalan’ity ONG ity raha ampitahaina amin’ny faritra simba izay niveloman’ izy ireo teo aloha.

Na teo aza anefa izany, nanamafy ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny tontolo iainana, Baomiavotse Vahinala fa tokony hisitraka ny tombontsoa mitondra fivoarana ny mponina eny ifotony. «  Mila ezaka manokana ny fanomezan-drano fisotro madio ho an’ireo mponina izay ianjadian’ny fandotoana avy amin’ny orinasa QMM ireo  », hoy ny fanazavany. Nifampi-dinihana tamin’ny Tale Jeneralin’ny QMM koa ny ahatongavana any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany maharitra  eto Madagasikara saingy manaja ny tontolo iainana sy mitsinjo ny mponina eny ifotony.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés