Webradio

ANTSIRANANA : Sarona ilay miaramila mpamatsy basy sy mpiray tendro amin’ny jiolahy

Miaramila iray am-perinasa no no voalaza fa mpiray tsikombakomba amin’ ny jiolahy amin’ny famatsiana basy no voasambotry ny Zandarimariam-pirenena ao Antsiranana, ankehitriny. 24 septembre 2020

Isany tompon’antoka tamin’ny fandrobana ny lakazerin’ny zandary tany an-toerana intelo miatoana, ka miisa 06 lahy no voasambotry ny zandary tany Antalaha, tamin’iny herinandro lasa teo iny. Voamarika tamin’izany fa jiolahy malaza ratsy amin’ny fanaovana ny fanafihana mitam-piadiana any amin’iny Faritra Sava iny izy ireo. Io miaramila io no niantoka ny bala nanafihan’ireo jiolahy tamina fanafihana maro tao amin’ny Faritra Sava. 

Raha ny fanazavan’ny Cirgn Antsiranana dia basina miaramila avokoa ireo basy roa nampiasan’ireo jiolahy. Ny iray dia basy poleta izay very tao amin’ny lakazerina Antsiranana. Ilay basy faharoa kosa dia basina miaramila. Ireo bala maro sarona tamin’ireo jiolahy dia ilay bala an’ny Tafika, izay avy amin’io miaramila io.
Ireo jiolahy voasambotra teo aloha moa no nanondro ny namany miaramila miray loha amin’ireto farany. Taorian’ny famotorana lalina dia natolotra ny fampanoavana ny raharaha ary efa naiditra am-ponja avokoa ireto mandrafitra ny tambazotran-jiolahy mpanafika ireto.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés