Tambazotra ahitana jiolahy miisa 15 eo izy ireo no voalaza fa nahavanona izao fanafihana niampy vono olona izao, hoy ny tao amin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena tao Miarinarivo. Hatreto dia ny 12 lahy tamin’izy ireo no efa voasambotra raha toa ka mbola karohina kosa ny telo lahy.
Raha tsiahivina ny tranga dia ny faha 10 novambra lasa teo no nisy fanafihana mahery vaika tao amina tokantrano iray tao Anorankely fokontany Anorambe, Kaominina Ambatomanjaka. Nandritra io fotoana io, lasan’ireo olon-dratsy ny vola mitentina iray tapitrisa Ariary, namoy ny ainy ihany koa ilay mpitondra fivavahana izay tompon-trano voatafika. Tamin’ny famotorana natao ireo efa voasambotra moa dia niaiky tokoa izy ireo fa tompon’antoka tamin’ny zava-niseho rehetra, ny jiolahy telo naman’ireto farany kosa dia fantatra fa mbola miriaria any anaty fiarahamonina ka eo am-pikarohana azy ireo ny Zandary amin’izao fotoana izao.
Adim-pianakaviana no niantombohany
Vaky bantsilana nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa lonilonim-pianakaviana mahakasika ny famarotana lova no antony goavana nahatonga izao fandrobana izao. Ireo zanany sy ny zafikeliny ihany no nahavita ity tranga mahatsiravina ity.
Nankasitrahan’ny mponina sy ny fianakaviana tao an-toerana ny fahazai-manaon’ireo zandary nandray an-tanàna ny fanadihadiana momba ity tranga ity. Nanentana fiaraha-miasa akaiky mandrakariva kosa ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena mba hanamorana ny fitadiavana ireo jiolahy.
Tatianà R.