Nambaran’ny filohany, Jean Nirina, fa tsy vahaolana intsony ny fanonganam-panjakana sy ny fidinana an-dalambe, fa tokony hiandry ny fifidianana amin’ny taona 2023 ireo mpanao politika mpitady fahefana. “Reseo lahatra amin’ny praograman’asanareo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vahoaka, dia izy ireo no aoka hitsara amin’ny alalan’ny fifidianana”, hoy ny nambarany.
Araka ny fanazavany, dia fahadisoana politika tanteraka ny faminganana, famotehana ary famonoana ny mpitondra izay miasa ankehitriny. Tsy manaiky entina any amin’ny korontana sy ny savorovoro intsony ny vahoaka, hoy ny Hafari, fa aleo any amin’ny fifidianana ihany no mifampitady. Voalazan’i Jean Nirina, fa tokony hahay hiaina sy hiaino ny manodidina ireo mpanao politika dia tsy tonga any amin’ny fanakorontanana. Tsy mpanao politika ny fikambanana tarihiny ary tsy hanao politika, fa mandroso soson-kevitra entina hanatsarana ny tontolo politika.
Sitraka r.