Omaly, tetsy Tsiadana no nanao tatitra tamin’ireo vahoaka nifidy azy mahakasika ny asa vitan’ny Depiote nandritra izay fotoana nipetrahany teo amin’ny toerana izay izy. Tao anatin’izay roa taona naha Depiote azy izay, nahasahy nitaky tamin’ny mpitondra Fanjakana izay tena ilain’ny vahoaka ny Depiote Lanto Rakotomanga ary tsy nanao andraso, andraso fa avy hatrany dia namaha ny olan’ny mponina isaky ny misy fitarainana voarainy. Isan’ireo asa mankadiry vita ny fametrahana andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy ny fizaràna “takamoa led” mitsitsy, napetraka tamin’ireo faritra mena eny amin’iny faritra iny.
Isan’ireo nametrahana izany, ohatra ny tao Saropody, Tsiadana, Ankatso, Ambohipo tanàna. “Ny fametrahana ireny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireny dia tena zava-dehibe satria sady manampy amin’ny fampandriana fahalemana ireny no misoroka ny fisian’ny fahatapahan-jiro koa. Ny fampandriana fahalemana dia tena isan’ireo nimasoana ary voarakitra tao anaty velirano nifanaovana tamin’ny vahoakan’ny boriborintany faharoa”, hoy ny Depiote Lanto Rakotomanaga. Ankoatra izay fampandriana fahalemana izay, nahafantarana ity Depiote ity koa ny fikarakarana fampianarana maimaim-poana ho an’ireo mpianatra miatrika fanadinam-panjakana Cepe, Bepc, ary Bacc. Niaraka tamin’io koa ny fanolorana fitaovam-pianarana sy kojakoja ho an’ny mpianatra sy ny fizaràna fitaovana toy ny baolina, aron’akanjo ho an’ny tanora mpanao fanatanjahan-tena.
Fotodrafitrasa maro
Nanangana fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio sy toeram-pidiovana maro koa ity Depiote ity raha tsy hilaza afa-tsy ny fotodrafitrasa natsangana teny Manjakamiadana, Andohamandry, Volosarika, Andohamandry ary Ambohipotsy. Nametrahana toby famatsian-drano vaovao koa ny teny Anjohy, Ambohitsoa, Ambohidepona, Andohanimandroseza. Nisy koa ny fametrahana lavadrano teny Ampahateza, Ambolokandrina, Ankatso ary Ambolokandrina. Ankoatra ireo, lalan-kely maro koa no efa voatsangana ao amin’ny Boriborintany faharoa. Isan’ireo efa nisitraka izany ny teny Anjohy, Ampasanimalo, Andohanimandroseza, Ampamatanana ary Tsiadana. Nizara karatany faobe ho an’ny fianakaviana maherin’ny 3 000 koa izy ary tokantrano maherin’ny 5 00 no mbola hizaràna izany ato ho ato. Isan’ireo nahasahy nijoro, nanampy ny mpianatra nandritra ireny vanim-potoanan’ny fihibohana ireny koa ny Depiote Lanto Rakotomanga.
Nampanao fizaham-pahasalamana sy fizaràna fanafody maimaim-poana koa izy sy ireo mpiara-dia aminy ary tsy nanao ambanin-javatra ny fizaràna aron-tava sy tsiranoka mamono viriosy nandritra izay fotoana nisian’ny covid-19 izay. “Niasa izahay, namaly ny antson’ny mponina, nitatitra ny hetaheta tany amin’ny mpanatanteraka ary mbola vonona hanohy izany hatrany”, hoy ny nambarany.
Nanteriny moa fa hanolotra volavolan-dalàna vaovao hodinihin’ny Depiote mandritra ny fivoriana manaraka eo ny tenany ary tsy hitsahatra hitaky ireo ilain’ny mponina any amin’ny mpanatanteraka.
Ny Ami