Trano manodidina ny 50 tafo mahery no levon’ny afo tamin’izany, raha ny loharanom-baovao voaray avy teny an-toerana.
Tsy mbola voafaritra tsara kosa izay tena niantombohan’ny afo. Ao ireo milaza fa tao amina trano hazo iray mpivarotra saribao no niandohan’ny firehetana voalohany saingy mbola mitohy ny fanadihadiana. Tao anatin’ny minitra vitsy dia niitatra ny afo ka niparitaka tamin’ireo trano manodidina. Vokany, may kila forehitra avokoa ireo entana sarobidy maro isan-karazany, vola tahiry, ary koa ireo biby fiompy toy ny kisoa sy akoho amam-borona. Soa fa tsy nisy olona naratra sy amoy ny ainy. Tamin’ny sivy ora maraina tany ho any izay vao voafehy ny afo. Tonga teny an-toerana ny kamiaobe miisa enina an’ny mpamonjy voina hany ka tsy dia nananosarotra loatra ny famonoana ny afo rehefa tonga izy ireo.
Nandritra ny fanazavana voaray avy tamin’ireo niharam-boina dia nitaraina izy ireo fa very fananana tampoka sy tsy nampoizina satria vitsy dia vitsy sisa ireo entana avotra. Tao koa anefa ireo olona sasantsasany nanararaotra ny fahavoazana ka nangalatra ireo entana sisa tsy may. Nisy aza ireo olona very vola an’hetsiny sy an-tapitrisany nandritra izany.
Manoloana ity tranga ity ihany dia hisy ny toerana vonjimaika sy tranolay hametrahana ireo tra-boina ireo aloha, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny tompon’andraikitry ny fokontany. Eo am-pandaminana ny raharaha ireto farany ankehitriny.
Tatianà R.