Webradio

RAHARAHA BARIKADIMY : Mivoy resa-poko sy fankahalana ny filohan’ ny oniversiten’i Toamasina sy ny ekipany

Kendan’ny vomanga nasesiky ny tanany, main’ny afo natsangany. Izay no azo ilazana ny mahazo ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, amin’izao fotoana izao.  25 février 2021

Tsy iadian-kevitra fa izy no rangory fototry ny afo nampirehitra ny hatezeran’ny mpianatra izay namoizana ain’olona iray, ny alakamisy 18 febroary.

Mitady hevitra mafy hanipazana ny andraikitra any amin’ny Fitondram-panjakana foibe ity filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ity ankehitriny. Miezaka manakarama ireo manaiky lalaoviny amin’ny alalan’ny fanaovana fanambaràna etsy sy eroa. Noho ny fitiavan-tseza sy fitiavam-bola, dia mitady hirika mafy ny mbola hipetrahana eo amin’ny toerana sy hanilihana ny rihatra amin’ny Fitondram-panjakana foibe i Zafitody Conscient.

Vitany mihitsy moa ny mampiditra resaka fiaviana amin’izany. Re moa fa volabe mihitsy no ampiasainy amin’izany fiarovan-tena amin’ny alalan’ny fanakarama andian’olona manao fanambaràna izany.

Mahalasa saina ny maro tokoa io fihetsika ataony io. Izy izay heverina ho olona nandalim-pahalalana sy nianatra no mikotrika indray ny fampidirana resaka foko amin’ny fitantanan-draharaha eto amin’ny Firenena.

Fantatra moa fa ilay tale kabinetrany antsoina hoe Aldiel Bola no tena ampiasainy fatratra manao io iraka maloto ivoizana resa-poko sy fambolena fankahalana sy fandotoana tanteraka ny Fitondram-panjakana io.

Raha hendry ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, dia tsy mila esorina akory fa izy ihany no mametra-pialana, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra any anaty fiarahamonina sy eo anivon’ny Oniversiten’i Toamasina.

INVT

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés