Webradio

FANAFIHANA TAO AVARADRANO : Mpitsabo maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Fanafihan-jiolahy miharo herisetra ka niafara tamin’ny famoizana aina no niseho tao amin’ny tokantranona mpiasan’ny fahasalamana iray tao amin’ny Distrikan’Avaradrano, ny alatsinainy 10 janoary 2022 lasa teo. 20 janvier 2022

Araka ny tatitra teo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, omaly alarobia 12 janoary dia nanamafy fa “ nisehoana trangana herisetra sy famonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana natao nandritra ny fanafihan-jiolahy mahery vaika tao amin’ny tokantranon’ny Médecin Inspecteur Avaradrano. Vokany, nindaosin’ny fahafatesana tamin’izany ilay ramatoa vadiny izay voalaza fa mpitsabo ihany koa. Manoloana ny zava-misy àry dia manaitra ny Mpitondra Fanjakana ny tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamana mba handray fepetra hentitra manoloana ny tranga toy izao.” 

Toherina ary melohina tanteraka ny fanaovana herisetra amin’ny endriny rehetra izay mianjady amin’ny mpitsabo sy ireo mpiasan’ny fahasalamana tato ho ato, indrindra moa fa amin’izao vanim-potoanan’ny valanaretina covid-19 mahazo vahana eto Madagasikara izao. Nambaran’izy ireo hatrany mantsy fa ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy dia manao ny ainy tsy ho zavatra na andro na alina amin’ny fanavotana ireo mpiray tanindrazana aminy. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés