Raha iray isaka ny vahoaka arivo ny fenitra takiana, mbola ny ampahatelon’izany ny miasa manerana ny Nosy, hoy ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara, Antoine Urbain Rakotonirina. Manodidina ny 12 000 eo ho eo ny antontan’isa farany fantatra mamaritra azy ireo raha mananika ny 27 tapitrisa ny vahoaka malagasy.
Ilain’ny Fanjakana araka izany ny fijoroan’ireo sekoly mpanofana tsy miankina ao anatin’ny fiaraha-miasa PPP (partenariat publique privé), hoy ny fanazavany. Isan’izany ny ao amin’ny Distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’Imania anatin’ny Faritany Fianarantsoa. Tokana hatreto ny sekoly mampianatra sy manofana mikasika ny “paramèdicaux” ao amin’ity Faritra ity raha misy CSB 41 ao amin’ny fileovan’i Fandriana, hoy ny Dr Bodosahondra Rakotoarimanga, médecin inspecteur ao Fandriana. Fetr’isa farany ambany ny tokony hananan’ny tobim-pahasalamana iray raha olona roa hisahana azy, hoy ny fanazavany. Vao valo taona monja no nisokafan’ny InsPALMA ary nahaofana andiany dimy manana ny mari-pahaizana “Licence” rehefa nanovo fahalalana nandritra ny telo taona. Efa an-jatony amin’izao fotoana ireo nahaofan-tena no miparitaka amin’ireo tobim-pahasalamana manerana ny Nosy.
Manaraka ny fenitra rehetra takina ho amin’ny fanofanana sy ny fampianarana ny InsPALMA, iray amin’ireo sekoly ambaratonga ambony 101 manerana ny Nosy efa nahazo fankatoavana avy amin’ny minisitera mpiahy izy. Zava-dehibe ny fahasalamam-bahoaka, tokony hisy isam-pokontany mihitsy ny mpampivelona sy infirmiera mba hampihena ny taham-pahafatesana eo amin’ny reny sy ny zaza. Tokony hiampy, araka izany, ny fijoroan’ny sekoly mpanofana izany. Maro ihany koa anefa ireo sekoly miorina an’elakelan-trano na tsy manara-dalàna ary tsy manaraka ny fandrindrana omen’ny Fanjakana. Hisy tsy ho ela ny fanaovana sivana azy ireny, hoy ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara.
Herizo Randrianjafy