Webradio

FILM GASY : Miroborobo ny eto Toamasina ary mihazakazaka amin’ny famoahana izany Ramalagasy

Manana mpilalao sarimihetsika malagasy maro rahateo i Toamasina raha tsy ilaza afa-tsy i Marenga, Matsepaka, Orlando (Patron Le Gros), Sily, Lalaina mitarogna, Sylvio sy ny maro hafa. 17 août 2010

Mihazakazaka ny famoahana horonantsary Malagasy.

Tsy tara i Toamasina, efa maro ny matihanina amin’ity sehatra ity. Ireo film gasy atao amin’ny fitenim-paritra no tena mahazo vahana eto an-toerana. Saika ireo mpilalao tantara amin’ny Radio eto Toamasina rahateo no mampiaina ireo sary mihetsika Malagasy.

Miaina amin’ny fitaovana kely anana, hoy ny mpamokatra sarimihetsika iray eto Toamasina, raha tafaresaka taminay. Na izany na tsy izany, miezaka manao zavatra tsara izahay mpamokatra sarimihetsika sy ny mpilalao eto Toamasina ahafahana manome vokatra ilain’ny mpanjifa. Varotina manerana ny nosy ireo film malagasy vita eto Toamasina.

Anisany vokatra teto Toamasina nalaza ilay hoe “Ile Caprice” misy an’i Patron Le Gros.

Manana mpilalao sarimihetsika malagasy maro rahateo i Toamasina raha tsy ilaza afa-tsy i Marenga, Matsepaka, Orlando (Patron Le Gros), Sily, Lalaina mitarogna, Sylvio sy ny maro hafa.

KAMY

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés