Webradio

FETY BE - REPOBLIKA FAHA-4 : Hankalazaina isaky ny renivohim-paritany

Lanonam-be no homanin’ny Fanjakana tetezamita handraisana ny Repoblika faha-IV. Hankalaza izany avokoa ny renivohim-paritany teo aloha rehetra, ka anisan’ny hampiavaka izany ny fandefasana afomanga aorian’ny fety aman-danonana. 10 décembre 2010

Araka ny fandaharam-potoana dia indroa miantoana no hanatanterahana izany ka ny voalohany dia ny sabotsy izao, izay iarahan’ny renivohim-paritany rehetra. Raha ho an’Antananarivo dia hiainga avy eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana, izay hanomboka amin’ny 8 ora maraina.

Hitohy eny amin’ireo toerana manan-tantara rehetra eto Antananarivo izany avy eo ka ny Rovan’i Manjakamiadana no hanombohana izany ary hiafara eo amin’ny Lapan’ny tanàn’Antananarivo renivohitra. Aorian’izay, dia hisy ny fety aman-danonana izay hiarahana amin’ireo artista malaza avy eto an-toerana ka anisan’izany i Tovo j’hay, Melky, Mika sy Davis, Y-Zit, Oladad, Jerry Marcos, Farah John’s, Njakatiana, Vaivy Chila, ary Tsiliva. I Francis Turbo kosa no hanentana mandritra ity fety be ity. Afaka hanaraka ity lanona ity amin’ny alalan’ny Tvm sy ny Rnm kosa ireo izay any amin’ny faritra.

Hisy ihany koa anefa ireo mpanakanto izay hanafana ny lanona isaky ny faritra ka raha ho an’ny ao Antsiranana dia hanafana ny lanonana ny tarika Mabaly sy ireo mpanakanto maro be avy ao an-toerana. Ny any Fianarantsoa kosa indray dia ny tarika Ny Ainga no hanafana ny lanonana hotronin’ireo mpihira malaza any an-toerana. Din Rotsaka kosa no hanafana ny lanonana any Mahajanga, izay hotronin’ireo mpanakanto any an-toerana ihany. Ho an’i Tomasina kosa dia ny tarika Rossy no hampitapôlaka ny mponina any raha i Dadah de Fort-Dauphin no hanafana ny sehatra any Toliara izay hotronin’ireo mpihira malaza avy ao an-toerana ihany koa.

Aorian’izany fety aman-danonana iarahana amin’ireo mpanakanto ireo dia hofaranana amin’ny fandefasana afomanga ny lanonana fandraisana ny Repoblika Faha-4, izay hanomboka amin’ny 6 ora hariva.


Mbola hitohy ny 18 desambra ny Fety

Ankoatry ny anio sabotsy dia mpanakanto nafarana avy any ampitan-dranomasina indray no hanafana ny fety, ka nasaina manokana amin’izany ny Jessy Matador sy Kat Deluna ary ny tarika UB40. Tsy hisy vidim-pidirana ny lanonana rehetra fa afaka mijery maimaim-pona avokoa ny rehetra.

Tiaray R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés