Webradio

DISTRIKAN’AMBOSITRA : Feno 35 taona katroka ny sekoly fianarana zandary

Lanonana roa sosona lehibe no notanterahina tao amin’ny Sekoly fianarana zandary tao Ambositra ny faran’ny herinandro teo. 9 mai 2011

Teo aloha ny fankalazana ny faha-35 taona niorenan’ny sekoly. Teo ihany koa ny famoahana eo ambany faneva ny andiany faha-68. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra an’ireo lanonana rehetra ireo ny Jeneraly Razafindrakoto J. Bruno Wilfrid, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Jeneraly Rakotobe Abel Aimé, nisolo tena ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ary ireo manamboninahitra sivily sy miaramila.

Filaharam-be namakivaky ny tanàna no nisantarana ity fotoam-pankalazana ity, narahin’ny fampirantiana maro, varavarana misokatra ho fampahafantarana ny tantaran’ny Sekoly tao anatin’izay 35 taona izay, lalao ara-panatanjahantena.

Tao amin’ny « Ecole de la Gendarmerie Nationale » Ambositra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-35 taona niorenan’ny sekoly. Ny lanonana dia nialohavan’ny fanolorana sabatra ho an’i Komandin’ny Sekoly ankehitriny dia ny Kolonely Manjakavelo Leonard Auguste sy ny Lefiny ho marika fa mitazona andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena izy ireo.

Fanehoana ambany Faneva ny andiany faha-68

Notontosaina tao anatin’izany koa ny fanehoana eo ambany Faneva ny andiany faha-68 amin’ireo mpianatra ho zandary miisa 735 mirahalahy raha nahavita ny fiofanana ara-miaramila tao anatin’ny telo volana.

Marihina fa tsy misy fanofanana mpianatra ho zandary intsony any amin’ny Sekoly Ambony Moramanga fa dia natambatra ao Ambositra izy rehetra.

Tsiahivina fa ny 15 avrily 1976 no notokonan’i Kolonely Joel Rakotomalala, Praminisitra tamin’izany fotoana ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena ao Ankorombe Ambositra ka ny Komandin’ny Sekoly voalohany, ny Kapiteny Andiamahefa Hemercellin, izay Jeneraly misotro ronono ankehitriny ary tonga nanotrona izany lanonam-pankalazana izany. Nahatratra 11 ireo Komandin’ny Sekoly nifanindimby ary 12 977 ireo mpianatra ho Zandary nandalo fiofanana tao amin’io taninketsan’ny zandarimariam-pirenena io hatramin’izao tao anatin’ny andiany 37 ? Fantatra fa ny 59 tamin’ireo no efa lasa manamboninahitra ka ny iray dia jeneraly mitazona andraikitra ankehitriny.

Nahazo trano fiasana vaovao

Ankoatra izany dia nisy ny fitokanana ny trano fiasana vaovao an’i Vondron-tobim-paritra na Compagnie ny Gendarmerie Nationale Fianarantsoa, ny 5 mey teo ao Ankazondrano. Trano lehibe iray misy efitra 08 izy ity ary araka ny fanazavan’i Jeneraly Randrianasolo Jean Deneri, Komandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimarariam-pirenena Fianarantsoa, dia nandaniana vola mitentina 26 tapitrisa Ariary izay famatsiam-bola madiodio avy amin’ireo Zandary niasa mihoatra ny 24 taona, miasa ao Fianarantsoa, nampian’ireo namana malala-tanana ao an-tanàna.

Enim-bolana no naharetan’ny asa ka ireo zandary avy ao an-toerana, havanana amin’ny taotrano ihany no nisahana sy niandraikitra ny fanamboarana izany. Ity trano ity dia hatao trano fiasan’ny Compagnie izay nitambatra tao amin’ny tranon’ny Brigade hatramin’izay.

Nangonin’i Tiaray R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés