Webradio

« MARIE-STOP » ATY DIEGO : Manara-maso ny fahasalaman’ny ologno jiaby indrindra fa ny zaza sy ny vehivavy

Tsy takogno afenina amin’ny vanim-potoagna iainantsika iziôty dia betsaka ny ologno mihinankinagna fanafody tsy manatona dokotera na amin’iregny toeram-pitsaboagna iregny. 13 juillet 2011

Tsara ho fantatry ny maro fa tsy dia tsara loatra ny fihinana fanafody fahatany iregny satria mety hiteraka voka-dratsy raha tsy mifanaraka amin’ny toe-batan’olo nandray izegny.

Ahitagna toeram-pitsaboagna maro miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana anefa agnatin’ny tanàna ary maro ny zavatra ataon’izy iregny sy ny raha hita ao. Ankoatran’iregny toeram-pitsaboagna misy eto Diégo, dia mahasarika ny maro ny manatona ny « Marie-Stop ». Mitsabo olon-dehibe na tsaiky ity toeragna ity, fa tegna tsikaritra ao anefa ny zaza sy ny vehivavy.
Ny raha misy anefa dia iregny viavy manaraka ny fanabeazana aizina sy ny tsaiky no tonga amin’ity toeram-pitsaboana ity, mba arahigny maso. Fa tsy tokony adigna koa fa afaka manara-maso ny fahasalamanan’olo jiaby izy ireo, na ny lehilahy ihany koa.

Tsy ino ny tiagna hiaviagna etoagna, fa tokony ahatsapa tegna aby ny tsiaraikiaraiky amin’ny fagnatognana ny toeram-pitsaboagna na dokotera raha sendra marary, fa tsy tokony hagnano dokotera tegna fa mety hampiteraka aretigny hafa koa.

Na iregny tanora indrindra ny tovovavy efa manao firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana, a matahotra ho bevohoka, na koa ny hoe hiala amin’ny fanalan-jaza matetika iregny, dia tsara ihany ny mba manatona toeram-pitsaboana tandrify izegny, mba haka toro-hevitra ho fiarovagna amin’izay mety hitranga.

Ndn

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés