Raha ny fantatra dia aretim-bavony izay nahazo azy no anton’izao fahafatesana izao. Nitsabo tena tao amin’ny hopitalibe, nanomboka ny zoma lasa teo ny lehilahy ary nodimandry ny alatsinainy 5 septambra.
Fantatra tamin’ny tontolon’ny asa soratra Itompokolahy, ary mpikambana feno amin’ny Akademia nasionaly Malagasy momba ny soratra izy. Raha tsiahivina dia mpampianatra misotro ronono izy, manana ny mari-pahaizana licence amin’ny taranja Filozofia. Boky maro no efa nosoratany, izay maneho hatrany ny vakoka sy kolontsaina Betsimisaraka, ohatra amin’ireny ny : « Ravin-dongôza, Ohabolana Betsimisaraka, ny fanambadiagna eo amin’ny Betsimisaraka, tôkatôka Betsimisaraka, ny Fihavanana antoky ny fiaraha-monina milamina ». Manana ny mariboninahim-pirenena Commandeur de l’ordre National.
Namela kamboty valo mianadahy Ratompokolahy amin’izao fahalasanany izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana izahay eto amin’ny Gazety Ino-vaovao Toamasina.
Ravo