Webradio

ZAVAKANTO TOAMASINA : Miroborobo tanteraka ny gadona R & B malagasy

Miroborobo tanteraka ny sehatry ny R & B Malagasy eto Toamasina. 5 mars 2012

Raha i Shyn sy Deenyz ihany no tena fantatry ny tanora teto Toamasina, dia mipoitra amin’izao fotoana izao ireo tarika vaovao zanak’i Toamasina mpiangaly ity gadona ity tahaka ny tarika LFA sy Jazz ary mbola manohy ny diany koa ny tarika Suprem (Zaza Dago).

Mandroso tanteraka araka izany ny fikarohana ataon’ireo tanora mikasika io gadona io. Misy ihany koa anefa ireo tsikera ny fivoizana ny mozika avy any ivelany ranofotsiny. Tsy mitsahatra noho izany ireto tanora mikaroka ny hana-tsana izany amin’ny fikarohana momba ny mozika safiotra. Izany hoe mozika vahiny atambatra amin’ny gadona sy feo ahafantarana ny Malagasy izay afaka mifanehatra sy mifaninana tsara amin’ny mozika vahiny ary mandeha amin’ireo fahitalavitra any ivelany.

Kamy

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés