Webradio

TRANGA

TOAMASINA : Mpanao vola sandoka sarona tamin’ny vela-pandrika

Ela nitoratorahana. Tratran’ny vela-pandrika tsy nampoiziny teto an-drenivohitr’i Toamasina ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fanaovana vola sandoka. Mbola nahatrarana vola sandoka manodidina ny 9 tapitrisa ariary teny aminy. 30 mai 2012

Belahy Daniel no anarany avy any Antalaha ny lehilahy ary milaza ho mpitsabo sy manana kalanoro. Milaza koa izy amin’izany fa afaka mampitombo vola. Olona roa samy mipetraka sy monina ao Tanamakoa no voafitak’ity mpisoloky ity, ka ny iray nahazoany vola telo tapitrisa ariary, raha ny iray hafa kosa nahazoany roa tapitrisa ariary.

Nifanaiky tamin’ireto olona ireto izy fa hampitombo ny volany, rehefa vita ny fifanarahana, dia lasa niverina tany Antalaha ilay mpamitaka.

Taty aoriana kely dia niantso ireo voajonony izy. Ireto olona nomeny toky kosa efa niomana, ka niandry fotsiny ny fahatongavany teto Toamasina. Rehefa tonga teto Toamasina indray ilay ratsy dia nangataka vola 6 000 Ariary tamin’ireo olona nofitahiny neken’ireto farany izany mba hamandrihana azy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirena ireto voafitaka avy eo, ka rehefa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana izay notarihin’ny Ramilison Célestin, dia tratra i Belahy Daniel. Mbola nahatrarana vola sandoka mitentina 8 730 000 Ariary koa teny aminy.

Nampitandrina ny rehetra ny Kaomisera Ramilisona fa aoka ho mailo mandrakariva eo amin’ny olona milaza mahay mampitombo vola. Tsy misy olona afaka mampitombo vola izany tokoa raha tsy miasa sy mandraharaha tokoa angaha fa hevi-dratsy efa tranainy io vola sandoka io, ka sao dia mila sitrany ka hasitriny avy eo.

Gilbert R

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés