Tovovavy iray avy any Antsiranana monina eto Toamasina no niharan’ny hetraketraka ara-nofo nataona vahiny iray iray nandritra ny herintaona.
Handeha hiasa no anton-dia nahatonga ity tovovavy ity sy ny zanany vavy teto Toamasina. Niasa tamin’ny Hotel lehibe iray teto Toamasina ity tovovavy ity, ka tao no nifankahitany tamin’ilay vahiny antsoina hoe Galy Gilbert. Nasain’ity farany nametra-pialana tamin’ny asany ilay tovovavy fa hiantohany, hono, ny fiainany rehetra.
Nanomboka teo no nanamparan’ilay teratany vahiny ny filan-dratsiny tamin’ilay tovovavy nandritra ny herintaona ngarangidina. Tsy akory avy eo vola na ny Ariary aza azony tamin’ity vahiny. « Hirifiry sy jaly mafy no nahazo anay mianaka tao anatin’ny iray taona izay ary nahatsiaro ho voafitaka tanteraka », hoy ny fitantarany tamin’ny mpanao gazety teto Toamasina. Efa nametraka fitoriana any amin’ny manampahefana mahakasika izao raharaha izao ity tovovavy ity.
Kamy
Kandidà iray tsy mitsahatra manaratsy ny Filoha Rajoelina POLITIKA EFA LANY ANDRO (550) 13 juin 2013
Zaza kambana hatao sorona amin’ny masoandro ho fitadiavam-bola RN 5 - TANAMBAO NOSIBE (331) 13 juin 2013
Mitombo isa ireo ankizy mbola tsy ampy taona mivaro-tena ao amin’ny faritanin’i Toamasina GARE ROUTIERE (187) 17 juin 2013
Mitaky ny fandravana ny CES i Roland Ratsiraka ANTOKO MTS (173) 13 juin 2013
Tovolahy maty voalaza fa novonoin’ireo mpanao mena mahazo BAZARIMAY ANKIRIHIRY (140) 14 juin 2013
Raikitra ny fanoloana ireo parlemanta CST sy CT sasany RAHARAHAN’ANTOKO (128) 13 juin 2013