Vola tao anaty gony lehibe iray no lasan’izy ireo tamin’izany.
Tamin’ny alalan’ny « Caméra de surveillance », tao amin’ity toerana ity kosa no nahitana ny endrik’ireo mpanafika ka tamin’izany no nahafantarana ny iray tamin’izy ireo izay tsy iza fa mpinamana amin’ilay Sinoa, tompony ihany. Omaly no niakatra Fitsarana izy roa lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana ireto ary samy nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy avokoa izy ireo miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Jiolahy miisa roa amin’ireo fito nanatanteraka ny fanafihana aloha no voasambotra ka ny iray amin’izy ireo dia namana akaikin’ilay Sinoa tompon’ny hotely Le Pacifique ary ny iray kosa dia gadra manao asa eny ivelan’ny Fonja avy any Antsirabe.
Araka ny fanazavana nataon’ny mpitandro ny filaminana nisambotra azy roa lahy ireo dia Rajaonarivelo Sylvain Lalatiana, 26 taona, monina eny Avaradoha no tena namana akaikin’ilay Sinoa. Voalaza fa efa mpanakalo vola vahiny ao izy io. Tonga tao amin’ilay Sinoa i Lalatiana nanontany raha afaka manakalo vola hatramin’ny 120 000 euros. Nanaiky ilay Sinoa fa misy ka nasainy tonga i Lalatiana mba hanakalo.
Teo no nahalalan’i Lalatiana fa misy volabe amina miliara ao aminy. Izy no niantso an’i Vonjy ka nampahafantatra azy ny fisian’ny volabe ao amin’ilay hotely. Marihina fa Rajaonarivelo Vonjy Hery, 32 taona, monina eny Mahamasina Ankadilalana izay tokony hamita sazy any amin’ny fonjan’Antsirabe noho ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny Toyota, tamin’ny 2009 saingy manao Mop na « Main d’oeuvre Pénale » amina mpitsara iray. Niantso an’i Lalaina sipany i Vonjy nilaza ny fisian’io vola be io ka ity vehivavy ity no nilaza tamin’i Tom ka izy roa no nitady bandy hanao ny fanafihana.
Ny sabotsy, 12 mey dia nivory teny Ankatso i Lalaina, Tom, Fab mince, Vonjy ary Lalatiana ka tapaka tamin’izany fa i Fab mince sy ny namany no manao ny fanafihana ka mody hanakalo vola vahiny ao amin’ilay Sinoa hijerena ny toerana handaminana ny tetika. I Lalatiana no hiantoka ny 1 000 dollars hatakalo. Ny alatsinainy, 14 mey tamin’ny 10 ora sy sasany dia nivory teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe Alasora etsy Ambohijatovo izy ireo ka tapaka tamin’izany fa i Tom sy Fab mince sy Georgie sy Lalatiana mody nandeha nanakalo ilay vola 1 000 dollars hijery ny tetika hampiasaina rehetra ka i Tom no nanao ny tetikady tao anatiny.
Ny 15 mey no natao ny fanafihana ka fiara « peugeot 306 » no nitondra azy ireo, niandry tety ivelany. Ny fiara nampiasaina dia an’i Jean Be, izay nijanona tao anatin’ny fiara nandritra ny fanafihana. Rehefa vita ny fanafihana dia navelan’izy ireo teny Ankatso ny Fiara. Tany Ambohimanambola izy ireo no nizara ny vola ka 4 000 000 Ariary isan’olona ny anjaran’ireo olona nifanampy tamin’izy ireo. Ny 23 mey lasa teo no voasambotra i Vonjy ka tamin’ny fanadihadiana azy no nanondroany ny namany ka nahavoasambotra an’i Lalatiana. Ny namany hafa toa an’i Jean Be, Tom, Fab mince ary Lalaina kosa dia mbola karohina hatramin’izao.
Tiaray R
Namoaka biletà tokana amin’ny endriny vaovao ny Cenit FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA (301) 17 mai 2013
Mpandeha efatra naratra navadiky ny Bajaj teo amin’ny lalana PK5 LOZAM-PIFAMOIVOIZANA (212) 17 mai 2013
Nodimandry ny alakamisy teo ny Pasitera Andriamanjato Richard MISAONA NY POLITIKA (199) 17 mai 2013
Naaton’ny Vondrona Eoropeana ny fanampiana ara-bola FAMATSIANA NY FIFIDIANANA (124) 17 mai 2013
Manahy ny ho fahavitsian’ny mpitsidika ireo mpandraharaha HARATSIAN-DALANA FOULPOINTE (106) 17 mai 2013
Katsahin’i Beriziky mihitsy ny tsy ahafahan-dRajoelina hilatsaka KANDIDA HO FILOHAMPIRENENA (83) 23 mai 2013