Rehefa jerena anefa ny valin’ny fanadihadiana maro vita sy ny zava-misy eny amin’ny Polisy misahana ny fitondran-tena sy ny zaza tsy ampy taona dia betsaka ny Malagasy voarohirohy amin’ny fanararaotana ara-nofo.
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny fonja ao Marofoto dia nihabe-tsaka ny olona voasazy noho ny fanararaotana ara-nofo na atao amin’ny zazavavy na zazalahy tsy ampy taona na ihany koa ampy taona, toy izany koa ny fanolanana. Amin’ny ankapobeny dia Malagasy izy ireo.
Tsy midika izany tsy akory fa tsy misy vahiny manao io toetra ratsy io fa sarosarotra kokoa ny manasazy ireo vahiny satria efa manana ny tambajotrany izy ireo no misy vola rahateo ka moramora aminy ny miala ny sazy. Na ireo mpitandro filaminana aza matetika miraviravy tanana ka mitazam-potsiny ireo lahiantitra miaraka amin’ny zazavavy mbola tanora tokoa eny amin’ny Bord.
Amin’ny ankapobeny dia olona tsy lavitra ilay zaza tsy ampy taona ny manararaotra azy amin’ny filàna ara-nofo. Mpifanolo-bodirindrina, naman’ny ray aman-dreny. Misy aza dia havana toy ny dadatoa, zoky hatramin’ny ray niteraka.
Tsy mifidy taona ihany koa ny mpanolana fa na tanora vao erotrerony na antitra dia misy ny manao io toetra ratsy io. Tsy mifidy taona toy izany koa ny lasibatra fa hatramin’ny zaza menavava. Ireo zazavavy kely dia tambazana vatomamy matetika no amandrihan’ireo olon-dratsy azy ireo. Ho an’ny efa maoty na ny adolantsento indray dia fitiavana, vola, lamaody hatramin’ny fampanantenana fanambadiana no amandrihana azy ireo. Fanerena ankolaka ahafahana manararaotra ara-nofo ireo mpiasa ambany fifehezana. Fomba efa lasa fanao amin’ny toeram-piasana maro.
Ankoatra ny fanararaotana ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona dia misy dia misy ny fanolanana tsotra izao. Hatramin’ny ao an-tokantrano dia misy azy io. Fomba fisehon’ny herisetra atao amin’ny vehivavy mbola tsy voaresaka firy fa efa anaovan’ireo fikambanana miaro ny zon’ny ankizy sy vehivavy fampahafantarana sy fanentanana ankehitriny. Marihina fa mafy ny sazy miandry ny mpanolan-jaza, satria migatra hatramin’ny 15 taona asa anterivozona.
Amin’ny ankapobeny anefa dia ny sazy farany mora no mihatra amin’ireny mpanolana ireny. Tsapa amin’izany fa tsy misy ny finiavan’ny Fanjakana hanasazy sy hanafay azy ireo. Amin’ny ankapobeny dia mbola ekena ihany koa ny raharaham-pihavanana amin’ny tranga tahaka itony. Tsy mahagaga azy raha zary fanaon’ny olona sasany izy ity.
Vanessa Zafimahova
Kandidà iray tsy mitsahatra manaratsy ny Filoha Rajoelina POLITIKA EFA LANY ANDRO (520) 13 juin 2013
Zaza kambana hatao sorona amin’ny masoandro ho fitadiavam-bola RN 5 - TANAMBAO NOSIBE (307) 13 juin 2013
Mitaky ny fandravana ny CES i Roland Ratsiraka ANTOKO MTS (170) 13 juin 2013
Mitombo isa ireo ankizy mbola tsy ampy taona mivaro-tena ao amin’ny faritanin’i Toamasina GARE ROUTIERE (138) 17 juin 2013
Tovolahy maty voalaza fa novonoin’ireo mpanao mena mahazo BAZARIMAY ANKIRIHIRY (125) 14 juin 2013
Raikitra ny fanoloana ireo parlemanta CST sy CT sasany RAHARAHAN’ANTOKO (117) 13 juin 2013