« Tsy misy maharatsy izay mety ho fihaonana eo amin’ny Filoha Rajoelina sy Ravalomanana raha hoentina hamahana ny olana. Ny olana mantsy, dia ny fampikatsoana ny raharaham-panjakana ataon’ny ankolafy Ravalomanana. Sady tsy mandray anjara amin’ny asa ny Parlemantan’izy ireo no tsy manao ny andraikiny ihany koa ireo minisitra, noho ny kajikajy politika. Io fampikatsoana ataon’izy ireo io no miteraka savorovoro, ka mampihisatra ny famahana ny olana », hoy Rakotovao Vyvavto.
Tsy fihetsik’olona tompon’andraikitra amin’ny tombontsoa ambonin’ny Fireneny mihitsy no nataon’ny Filoha teo aloha Ravalomanana. « Nahoana no avela efa ho latsaka an-katerena ny Firenena vao manaiky ny hifampiresaka amin’ny Filoha Rajoelina izy ? Ny mahagaga dia telo taona aty aoriana ny Filoha teo aloha vao mody mangataka fihaonana amin’ny Filohan’ny Tetezamita », hoy izy.
Telo taona nanimbana ny Firenena sy niziriziriana ary nanaovana bontolo. Raha ny tena marina, efa tamin’ny fotoana nifanatonana teo aloha no tokony ho nekeny izany, fa tsy tokony ho nanenjika ireo izay tsara sitra-po izy. Izay no nahatonga ny antoko Tim niala taminy, satria tsara kokoa noho izao ny fiainam-pirenena raha toa ka efa nanaiky ny fifanakalozan-kevitra ny tenany.
« Hiady varotra indray ? »
Ny olana ary mampieritreritra ny mpanara-baovao, dia ny mbola fiverenan’i Joaquim Chissano, Filoha mozambikana teo aloha, hanao ny fanelanelanana indray eo amin’izy mirahalahy mianaka izay hampihaonina. Fangatahan’ny Sadc ity fihaonana ity, araka ny fivoriana nataon’izy ireo farany teo, tany Luanda Angola.
Nambaran’ireo mpivory, fa tsy nahomby ny fanelanelanana nataon’i Afrika Atsimo ary nohitrikitrihan’izy ireo tamin’izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny afrikana tatsimo, Marius Fransman, ka naverina amin’i Chissano indray ny raharaha. Efa niarahana nahita tsara ny zavatra nataon’ity farany tamin’ny fotoana nanaovany izany, fa vao mainka aza niteraka fikorontanana teto amintsika.
Amin’izao fihaonana vaovao atao izao, dia nanambara ity minisitra teo aloha ity, fa raha mangataka fihaonana izy izao, dia aoka ny hamahana ny olana no hokatsahina, fa tsy ady varotra vaovao indray no hatao. Ny Tondrozotra no tohizana, fa tsy zava-baovao indray no handaniam-potoana. Efa navela ho potika ve ny Firenena vao manaiky izy ? « Tsy tokony hisy ady varotra intsony, satria efa tsy azo ialana sy hiodivirana intsony ny Tondrozotra, izay efa drafitra ara-dalàna neken’ny Fianakaviam-be iraisam-pirenena sy ny mpanao politika malagasy. Ny hamerenana ny olon’ny ankolafy Ravalomanana handray ny andraikitra nanendrena azy ao anatin’ny fiatraha-mitantana no tokony hatao », hoy ity minisitra teo aloha ity.
Ny Tondrozotra dia mamaritra mazava, fa tsy tokony hisy hitsivalana ny fampandehanan-draharaha na hampikatso ny fanatanterahana, araka ny voalazan’ny andininy faha-23. Natao sonia sy ampiharina izy io ary nifanekena teo imason’izao tontolo izao. Ny fanomanana ny fifidianana no tena tokony hatao laharam-pahamehana izao, satria izay ihany no vahaolana ara-demokratika. Ifandrimbonana ny fanomanana ny fifidianana ary tokony ny vahoaka amin’izay no haneho ny heviny amin’ny alalan’ny latsa-bato sy hifidy ireo izay hitondra azy.
Inona no Vaovao
Kandidà iray tsy mitsahatra manaratsy ny Filoha Rajoelina POLITIKA EFA LANY ANDRO (520) 13 juin 2013
Zaza kambana hatao sorona amin’ny masoandro ho fitadiavam-bola RN 5 - TANAMBAO NOSIBE (307) 13 juin 2013
Mitaky ny fandravana ny CES i Roland Ratsiraka ANTOKO MTS (170) 13 juin 2013
Mitombo isa ireo ankizy mbola tsy ampy taona mivaro-tena ao amin’ny faritanin’i Toamasina GARE ROUTIERE (139) 17 juin 2013
Tovolahy maty voalaza fa novonoin’ireo mpanao mena mahazo BAZARIMAY ANKIRIHIRY (125) 14 juin 2013
Raikitra ny fanoloana ireo parlemanta CST sy CT sasany RAHARAHAN’ANTOKO (117) 13 juin 2013