Manana lehilahy an-jatony maro mitam-piadiana izy ary tsy mitsitsy mitifitra mihitsy. Na ny mpitandro filaminana aza dia tsy idifiany.
Nampihorin-koditra ny fahitana ireo Miaramila maty nihosin-dra tao anaty hazo. Ny alahady antoandro no nitrangan’izany tany Bekolintsa, Kaominina Marovitsika, ao amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo.
Noho ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana no nahalavo azy ireo. Ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana no manambara, fa « miisa enina ireo mpitandro filaminana lavo tamin’izany, ka ny efatra amin’ireo dia Zandary ary Miaramila ny roa ».
25 lahy izy ireo no mamita iraka amin’ny fampandriana fahalemana an’io Kaominina ambanivohitra io. Isan’ny tafiditra ao anatin’izany fampandriana fahalemana izany ny fisamborana ilay dahalo raindahiny antsoina hoe Remenavila. Izy io dia lehibena dahalo tena malaza ary mampitondra faisana ny mponina any amin’iny Faritra iny.
Voalaza anefa, fa teo am-pidirana tao amin’io tanàna io no notifirin’ireo malaso ireto mpitandro filaminana ireto. Namaly izany kosa ny ankilany ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Teo no nahalavo ireo mpitandro filaminana enina mirahalahy ireo.
Dahalo 300 lahy
Telonjato lahy no isan’ireo dahalo nifanandrina tamin’ireto mpitandro filaminana ireto. Manana basy mahery vaika ny sasany ary ny an’ny hafa dia basim-borona. Voalaza ihany koa, fa lasan’ireto dahalo ireto ny basin’ireo mpitandro filaminana namoy ny ainy ireo.
Tsiahivina, fa vao tsy ela akory izay no nanafika tao Mahaly any Amboasary Atsimo ny ekipan’io Remenavila io. Lasa tamin’izany ny omby 1 200 isa ary tamin’io ihany koa no nitifiran’izy ireo ny Zandary iray.
Nanoloana ity asan-dahalo mahery vaika ny alahady teo, dia efa nandray ny andraikiny ireo tompon’andraikitra isanisany. Efa nisy ny fandefasana mpitandro filaminana hanampy tosika an’ireo namany efa any an-toerana. Ny mpikambana eo anivon’ny Kaongresin’ny Tetezamita avy any an-toerana ihany koa dia niantso ireo tompon’andraikitra mba hijery akaiky izao tranga izao.
Fantatra fa mbola ireo mpitandro ny filaminana izay tsy maty no voalaza fa tsy afaka miteny taorian’io fifandonana io. Nisy basy kalachnikov 11, araka ny voalaza no naterin’ny olona tao amin’ny biraon’ny Zandary tao Ranotsara Vangaindrano, izay toerana manakaiky indrindra ny toerana nisehoan’ny fifanjevoana. Nilaza ireo olona nanatitra basy fa ireo dahalo no tompony. Rehefa nohamarinina anefa dia basin’ireo Zandary avokoa ireo nisy nanatitra ireo.
T. R. sy W. F.
Kandidà iray tsy mitsahatra manaratsy ny Filoha Rajoelina POLITIKA EFA LANY ANDRO (523) 13 juin 2013
Zaza kambana hatao sorona amin’ny masoandro ho fitadiavam-bola RN 5 - TANAMBAO NOSIBE (307) 13 juin 2013
Mitaky ny fandravana ny CES i Roland Ratsiraka ANTOKO MTS (170) 13 juin 2013
Mitombo isa ireo ankizy mbola tsy ampy taona mivaro-tena ao amin’ny faritanin’i Toamasina GARE ROUTIERE (142) 17 juin 2013
Tovolahy maty voalaza fa novonoin’ireo mpanao mena mahazo BAZARIMAY ANKIRIHIRY (125) 14 juin 2013
Raikitra ny fanoloana ireo parlemanta CST sy CT sasany RAHARAHAN’ANTOKO (117) 13 juin 2013