Tsy nanaiky izany ny mpitatitra iray izay niainga voalohany satria mifandimby ny fandehanan’ireo fiara arakaraka ny lamina izay napetraky ny tompon’andraikitra.
Niangavy ny fiara manaraka indray izy kanefa mbola tsy nitondra ihany ilay faharoa. Ny fiara nanaraka io no nanaiky nitondra azy ary nilaza ilay tovovavy fa raha vantany vao tonga any an-toerana izy dia haka ny vola ary homeny ny saran-dalana. Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tany ho any izany satria izay no ora fodian’ireo mpiantsena avy aty Ambatondrazaka handeha hody hianavaratra.
Feno ilay fiara nitondra azy ary dia roso ny dia. Teny an-dalana dia samy niresaka ny rehetra ary mba velon-dresaka tahaka ny olona rehetra ihany koa ity tovovavy ity, izay sahabo ho eo amin’ny 17 taona eo ho eo. Efa tapitra niala teny an-dalana avokoa ny mpandeha ka olona efatra miaraka amin’ny mpamily sy ny mpanampy azy sisa no tao anaty fiara.
Velona ny sangisangin’ilay mpanampin’ny mpamily tamin’ity tovovavy ity. Nividy mofo akondro ilay mpanampy ny mpamily ka nizara ary nihinana ihany koa ilay tovovavy. Nony tonga teo Andreba dia nidina ilay tovovavy satria nilaza ny hijery ilay olona hanome ny saran-dalany. Niverina anefa izy avy eo ary nilaza fa tsy ao ilay olona fa aleo izy any amin’ny farany no miala ary tsy maintsy aloany ny saran-dalana. Niakatra izy ary nitohy indray ny dia.
Nanjavona tampoka
Teny an-dalana dia nihoatra ireo fiara roa niala teo alohany izay samy vaky kodiarana avokoa ity fiara fahatelo nitondra ilay tovovavy ity ka rehefa nandalo teo izy ireo dia nilaza ilay tovovavy fa noho ny tsy fitondran’ireo azy no nahataraiky ireo fiara ireo ary nanamafy kosa izy tamin’ilay mpamily nitondra azy fa tsara fanahy izy ireo. Raha sanatria hoy izy ka tsy azonareo amin’ilay toerana hialako ny saran-dalana dia tsy maintsy hifankahita foana any Ambatondrazaka ary homeny ny vola amin’izay fotoana izay.
Nilaza ity tovovavy ity fa niaraka tamin’ny dadatoany izay notononiny anarana izy nankany Ambatondrazaka ka efa lasa ity voalohany fa tavela kosa izy. Olom-pantatra tokoa ilay anaran’ny dadatoany nolazainy tamin’izay ary nanonona ny anarany ihany koa izy tao anatin’ny dian’izy ireo. Nilaza ho nangatsiaka ilay tovovavy teny an-dalana izay efa madiva ny ho tonga satria ny andro rahateo efa hariva.
Nikasa hanome akanjo mafana azy anefa ilay mpanampin’ny mpamily saingy tsy nety izy.
Tao anatin’ny indray mipi-maso anefa, raha variana nitodika nijery zavatra hafa ilay mpanampy ny mpamily no nanjavona tampoka ilay tovovavy. Ny fiara anefa voalaza fa nandeha mafimafy ihany. Niteny tamin’ny mpamily izy no sady niantsoantso nanao hoe : « Ajanony fa nanjavona ilay vehivavy teo ». Nijanona ny fiara, nojerena ny manodidina rehetra fa tsy nahita na inona na inona. « Sao nitsambikina ! », hoy ilay mpampily. Nanda izany anefa ilay mpanampy ary nanamafy fa indray mipi-maso monja dia tsy hita izy. « Tsy misy hirika tokony ho nahafahany nitsambikina rahateo satria teo aorian’ny mpamily izay tsy nisy varavarana akory no toerany », hoy izy.
Raiki-tahotra izy telo lahy sisa tao anaty fiara dia ilay mpamily sy ny mpanampy azy niaraka tamin’ilay mpandeha iray mbola tavela tao. Rehefa nanontaniana ny tangalamena teo amin’ny tanàna izay nijanon’izy ireo avy eo dia nanambara fa angatra izy io ary efa ela no tsy nahenoana azy dia izao izy miverina izao indray saingy tsy maninona izy raha toa ka tsy manao ratsy azy izay olona isehoany.
Marihina fa efa fotoana lavalava taorian’ny tranga vao samy tonga saina ilay mpamily sy ny mpanampiny ary ireo niresaka tamin’izy ireo fa hay olona efa maty ilay dadatoany nolazainy satria nambarany hatramin’ny toerana niaviany izay be mpahafantatra tokoa. Mbola tsy fantatra kosa anefa na olona efa maty ihany koa ilay tovovavy izay nilaza mazava ny anarany na tsia.
Mbola maro misitery ny tokoa ny tanàna sy toerana maro aty Alaotra.
Hariliva R.
Katsahin’i Beriziky mihitsy ny tsy ahafahan-dRajoelina hilatsaka KANDIDA HO FILOHAMPIRENENA (263) 23 mai 2013
Tratra ilay lehilahy nahavanon-doza nanolana zazavavy 17 taona AMBOROVY MAHAJANGA (132) 23 mai 2013
Namoaka didy mba hametrahan’ireo kandidà fialàna FITSARANA MANOKANA MISAHANA NY FIFIDIANANA (131) 24 mai 2013
Tovolahy hita faty nihosin-dra teny Bazarimay NAHITANA KAONTERA TENY AMINY (98) 24 mai 2013
Mpiasan’ny paositra novelesina maritoa sy nokapaina famaky FANAFIHANA TAO NOSY VARIKA (79) 23 mai 2013
Mpitondra môtô tapa-tongotra voadonan’ny kamiao ny alakamisy tolak’andro teo LOZA (64) 24 mai 2013