Matoa ingahy Ravalomanana manaiky izegny fihaonagna izegny dia ahiana ny tetika ratsy kotrehiny ao ambadika. Rango io koragna io nahazo vahagna, tsy mitsahatra mivolagna ny filatsahan-dRavalomanana amin’ny fifidianagna magnaraka ingahy Mamy Rakotoarivelo ary mampiseho koa ny fankasitrahany ny filatsahan’i Andry Rajoelina mba handesiny mandrebireby saignin’olo.
Ny tena tanjon’ny ankolafy Ravalomanana amin’io fihaonana io dia ny hahafahan-dRavalomanana mipody eto an-tanindrazagna ary ny hahazoany famotsôran-keloko mba hahafahany mandray anjara amin’ny fifidianagna filoham-pirenena magnaraka. Izany no hevitra mpandraharaha izay sendra tafaresaka taminay momba io fihaonana io.
« Misy fetrany anefa ny fandeferagna. Raha mitady fiovagna marigny antsika, tsy tôkotro hisy olo agnabon’ny lalàgna izegny. Raha ny fisehoan-javatra misy ankehitriny anefa dia tsy misy afa tsy ingahy Ravalomanana no afaka mampandroso ny firenena eo imason’ny Sadc. Tsy mahagaga akory izany satria ry zareo Amerikanina ihany no ambadik’izy ireo », hoy ihany ity mpandraharaha tsy mety nitonona anarana namarana ny teniny.
A. Lepêcheur
Katsahin’i Beriziky mihitsy ny tsy ahafahan-dRajoelina hilatsaka KANDIDA HO FILOHAMPIRENENA (256) 23 mai 2013
Tratra ilay lehilahy nahavanon-doza nanolana zazavavy 17 taona AMBOROVY MAHAJANGA (129) 23 mai 2013
Namoaka didy mba hametrahan’ireo kandidà fialàna FITSARANA MANOKANA MISAHANA NY FIFIDIANANA (118) 24 mai 2013
Tovolahy hita faty nihosin-dra teny Bazarimay NAHITANA KAONTERA TENY AMINY (88) 24 mai 2013
Mpiasan’ny paositra novelesina maritoa sy nokapaina famaky FANAFIHANA TAO NOSY VARIKA (77) 23 mai 2013
Mpitondra môtô tapa-tongotra voadonan’ny kamiao ny alakamisy tolak’andro teo LOZA (58) 24 mai 2013