Nitantara tamin’ny ray aman-dreniny ny zava-nitranga ilay ankizivavikely ary hita tokoa, hoy ireo ray aman-dreniny, fa lasa nibakabaka ilay zaza rehefa mandeha ary milaza fa misy maharary azy ao amin’ny fivaviany.
Ny tapaky ny volana jona no nisehoan’izany. Rehefa nandeha naka taratasy fanamarinana tany amin’ny dokotera sy ny Polisy ireo ray aman-dreny dia norahonan’ny renin’ilay zazalahy fa raha mitory azy dia ahita raharaha satria atody miady amam-bato noho izy ireo malaza ho mpanan-karena. Marihina fa mpanasa lamba no asan’ny renin’ilay zazavavikely.
Tsy navelan’ireo voalohany nametraka fitoriana araka izany ireto niharam-boina ka dia nipetraka tamin’izao noho ny tahotra.
Taty aoriana nefa dia namoaka fofona hafahafa ilay zaza ka taitra ny mpiara-monina ary ireo no nanampy ireo mpanasa lamba niharam-boina ka nametraka fitoriana sy nampiakatra ny raharaha. Mbola tsy nipoitra teny anivon’ny manam-pahefana kosa ireo ray amandrenin’ny ankizy nanolana.
Efa mitohy ny fanadihadiana nanomboka omaly eny amin’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Anosy.
RasoA
Katsahin’i Beriziky mihitsy ny tsy ahafahan-dRajoelina hilatsaka KANDIDA HO FILOHAMPIRENENA (227) 23 mai 2013
Tratra ilay lehilahy nahavanon-doza nanolana zazavavy 17 taona AMBOROVY MAHAJANGA (87) 23 mai 2013
Mpiasan’ny paositra novelesina maritoa sy nokapaina famaky FANAFIHANA TAO NOSY VARIKA (62) 23 mai 2013
Lasan’ny jiolahy avokoa ny fitaovana fanisana mpifidy VAKY NY BIRAON’NY CED AMBATOLAMPY (32) 23 mai 2013
Nijanona ho filoha Rasolosoa Dolin FILANKEVITRA AMBONIN’NY TETEZAMITA (31) 23 mai 2013
Tsy tonga ny kandidà Lalao Ravalomnana sy Ratsiraka Didier FAMPIHAONANA TETSY AMIN’NY CARLTON (28) 23 mai 2013