Voalaza fa vao maraina dia efa nisy nahita teo amin’ny trano heva fivarotan-damba iray ity tovovavy ity. Tsy nanaiky ny nipetrahany teo anefa ny tompon’ilay tranoheva fa naniraka azy hifindra tamin’ny toeran-kafa. Nanaiky nifindra ihany izy ary teo amin’ny zaridaina iray eo akaikin’ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia no nipetrahany. Voalaza fa nitaky labiera sy ranomanitra ary taniravo tamin’ireo olona nitangorona teo izy ary niteny tamin’ny fiteny avy any anindrana izay nanambarany fa ireo no fandrosoan-kasina izay tadiaviny.
Nisy olona nahita izany no nanome azy lambahoany ary nisy ny nividy labiera sy nanolotra taniravo ho an’ity vehivavy nilaza ho nitsanganan-javatra ity. Rehefa avy eo dia nisy indray ny nitsetra azy ka nanome vola ary nisy tamin’ireo tovolahy sahisahy no nanolotra toaka ho azy. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena tiany hahatongavana fa ireo zavatra ireo hatrany no notakiany. Ny antoandro anefa dia mbola hita nandeha teo an-tsena ihany ity tovovavy ity izay efa nihositra taniravo ny tarehiny ary nihazakazaka nitety ny tamboho mamefy ny kianja Rasolonjatovo. Nahatalanjona ireo izay nahita izany satria avo dia avo ny fefin’io kianja io.
Tomefy olona foana mijery azy sy ity fihetsika hafahafa ataony ity izay nanomboka ny maraina mandra-pahatongan’ny antoandro kanefa tsy nisy ny nandray andraikitra nitazona azy fa samy natahotra ny rehetra.
Hariliva R.
Katsahin’i Beriziky mihitsy ny tsy ahafahan-dRajoelina hilatsaka KANDIDA HO FILOHAMPIRENENA (248) 23 mai 2013
Tratra ilay lehilahy nahavanon-doza nanolana zazavavy 17 taona AMBOROVY MAHAJANGA (122) 23 mai 2013
Namoaka didy mba hametrahan’ireo kandidà fialàna FITSARANA MANOKANA MISAHANA NY FIFIDIANANA (97) 24 mai 2013
Mpiasan’ny paositra novelesina maritoa sy nokapaina famaky FANAFIHANA TAO NOSY VARIKA (74) 23 mai 2013
Tovolahy hita faty nihosin-dra teny Bazarimay NAHITANA KAONTERA TENY AMINY (73) 24 mai 2013
Mpitondra môtô tapa-tongotra voadonan’ny kamiao ny alakamisy tolak’andro teo LOZA (49) 24 mai 2013