Webradio

TRATRAN’NY ODY FITIA : Ritran’ny sipany ny harenan-drangahy ka tanam-polo sisa nentina nody

Tanam-polo sisa ilay rangahy nanana ny lazany teo amin’ny fiarahamonina nisy azy. Ny fiarahana tamina vehivavy iray nahasarika azy no nahatonga izany. 9 juillet 2012

Ny ratsy kely lalana ny amin’ny fitiavan-tena sy ny fitsiriritana ny harenany. Nataon’ilay vehivavy izay ahazoana ny fon’io lehilahy io mba hahazoany izany.

Feno nenina tanteraka ilay raim-pianakaviana nandao ny tokantranony noho ny fampirafesana. Lany tamingana avokoa ny harena nohariany tao anatin’ny taona maro vao tonga saina ny lehilahy.

Nangala-pitia tamina vehivavy iray mpiara-monina amin’izy ireo ihany izy io. Vao niaraka kelikely anefa izy ireo dia tsy tompon’ny tenany intsony ity raim-pianakaviana ity fa nisavoamboana teny ny fiainany satria tratry ny ody fitia.

Niafara tamin’ny firaisany trano tamin’io vehivavy io izany ary nafoiny tanteraka ny vady aman-janany. Ilay vadiny ara-dàlana noho ny henatra amin’ny mpiara-belona dia tsy nanakorontana mihitsy ny fiarahan’izy ireo. Taty aoriana anefa dia ritran’ilay sakaizany avokoa ny fananan’io rangahy io.

Naverina amin’ny vadiny

« Nikorosifahana ny tanteraka ny fiainako vao tonga saina aho. Soa fa nisy namana mba nanoro hoe misy olona afaka manarina ny fiainana amin’ny ratsy hataon’olona ny tena. I Aina, mpitsabo eny Itaosy no natoroany ahy ary azoko tamin’ny laharana 034 29 026 68 izy. Tsy nisalasala izy ny handray ahy. Tsotra ny torohevitra nomeny ahy raha te-hiala amin’ny fangejana mahazo ahy aho. Narahiny vavaka ny momba ahy, izay tratran’ny ody fitia ary tafaverina soa aman-tsara amin’ny vady aman-janako aho », hoy ilay rangahy. « Tsy manana olana amin’ireto farany aho fa mainka aza mitombo ny fifankatiavanay.

Nohamafisin’i Mpitsabo ny hery sy ny fahasoavana ananany manokana no hoentiny hanasovana ny mpiara-belona amin’ny fitsaboana hataony amin’ireo mila vonjy aminy », hoy ihany ny fanazavany.

Tsy mampiasa tapa-kazo na mametra fadifady ho an’ny olona tonga ao aminy io mpitsabo io. Manana fahazoan-dalana ara-dàlana avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamana ireo mpikambana ao anatin’ny fitsaboana nentim-paharazana.

Tiaray R

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés