Webradio

FOKONTANY ANDRANOMADIO 11/41 : Vadina frantsay iray maty nisy namono

Zaza handeha hividy kafe no nahatsikaritra zavatra hafahafa. Hataraina ny an’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Andranomadio 11/41 sy 11/43 ny antoandron’ny alatsinainy lasa teo. 10 juillet 2012

Ramatoa be iray sahabo 50 taona, izay mipetra-drery no maty nisy namono tao an-tranony.

Mizaka zom-pirenena frantsay ity ramatoa ity ary manambady teratany Frantsay. Mivaro-bary sy kafe manoloana ny toeram-ponenany izy, ka ankizy handeha hividy kafe, ny marainan’ny alatsinainy teo, no niantso ny manodidina rehefa nahita fa nisokatra ny vavahady, nandondona izy nefa tsy nisy namaly. Niantso ireo olona manodidina teo ilay ankizy, rehefa nojerena ny tao an-trano, faty efa nitsitra no hita ary mbola nahitana lambahoany tao anaty vavany. Notsentseman’ireo olon-dratsy lambahoany izany ny ativavan’ity ramatoa ity.

Tsy nisy entana very kosa fa ireo anton-taratasy no niparitaka nanerana ny trano, misy fiara 4x4 iray tao anaty lakoro fa tsy nokitihin’ireo jiolahy.

Vita mariazy fa tsy miara-mipetraka intsony

Raha ny fanazavana ny nentin’ny havan’ity ramatoa maty ity, dia vita mariazy ara-dalàna amin’ilay vazaha izy ary efa nisy fotoana nipetraka tany Frantsa. Tato aoriana kely anefa, niaraka tamin’ny sipa hafa ilay vazaha ary nifindra monina tany mihitsy. Ilay ramatoa vadiny ara-dalàna tsy niteraka na ny iray aza. Raha ny fanampim-panazavana voaray hatrany, dia nangataka fisaraham-panambadiana taminy ilay vazaha vadiny fa tsy nanaiky mihitsy izy. Mialoha izao nahafaty azy izao, dia efa indroa nidiran’olona ny tranony tamin’ny fotoana tsy nahatao azy. Tsy nisy entana very ihany koa fa antontan-taratasy koa no niparitaka manerana ny trano. Nanamafy ireo havany fa resaka antontan-taratasy hatrany no antony nidiran’olona tao an-tranony. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga hafahafa ity.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés