Webradio

FITSARAM-BAHOAKA TENY AMBONDRONA : Nilaza hamaly faty ny fianakavian’ny maty…

Nampiantso ny mpanao gazety teny amin’ny Cercle la mess, eny amin’ny Bord de la mer ireo fianakavian’ilay tovolahy avy eny Betsako maty noho ny fitsaram-bahoaka nahazo azy, ny talata lasa teo iny, teny amin’ny fokontany Ambondrona. 10 juillet 2012

Raha ny tafa nataon’ny vadin’i Bruno, izay namoy ny ainy noho iny tranga iny, nolazainy fa « tsy mpangalatra omby akory ny vadiny fa olona poritra nandeha hivoaka no nialany tao an-trano satria tsy nisy trano fivoahana ny toerana nivahinianan’izy ireo ».

« Mipetraka any Betsaka izahay sady mamboly tômaty fa ny zanaky ny rahavavin’ny reniko no mipetraka eny Andovinjo ka efa mahazatra anay mivady ny mamangy azy ireo. Poritra te hivoaka ny vadiko tamin’io fotoana io ary tsy maintsy niala tao an-trano izy ary teny atsinanan’ny tanàna izay misy ny toerana fanaovana jangoany. Rehefa vita ny nataony dia nifoka sigara tsy lavitra loatra teo izy sady nipetraka », hoy i Tiaviniaina Natacha nitantara. « Tsy tapitapitr’izay anefa dia niverina avy any ny zanaky ny tompon’ny omby sady tompon-trano nipetrahanay izay nilaza fa nisy namaha ny omby ka lasan’ireo mpangalatra. Rehefa nojerena anefa dia tsy nisy mpangalatra izany akoryfa ireo fokonolona no nahita ny vadiko nifoka singara tsy lavitra ny toerana voalaza fa nisy ny omby ka avy hatrany dia nentin’izy ireo teny amin’ny tompon’omby sy ny fokontany », hoy ihany ny vadin’ny maty.

« Nilaza ho tsy nahalala azy avy eo i Dadafaranay, nefa olona mivahiny ao amin’ny mpanofa tranony izahay. Nilaza mihitsy izy tamin’ireo vahoaka fa vonoinareo fa tsy haiko io », hoy hatrany izy nitantara. Izay teny izay ihany no ela fa samy nidaroka an’i Bruno ny fokonolona ary izy efa tsy hita intsony ny tarehiny izay aho vao tonga nisy niantso. Niangavy ny fokonolona aho tsy hanohy ny famonoana azy intsony fa tokony hoentina eny amin’ny Polisy izy raha nangalatra marina fa tany misy lalàna eto amintsika. Vao mainka aza tonga ny zanaky ny tompon’omby nanindrona azy tamin’ny antsy teo amin’ny sofiny, izay nipoitra teny amin’ny lohany. Mbola nitempo ihany anefa ny fon’ny vadiko tamin’izay ary nakariko teo ampofoako izy, mbola nisy olona tonga niaraka tamin’ny vatobe indray ka nalatsak’izy ireo tamin’ny lohany, ka teo no nahatapitra ny ainy.

Nilaza i Marcel, izay zokin’ny maty fa tsy mpangalatra ny zandriny. « raha olona hangalatra omby tsy hitondra vady mihitsy ary sarotra no hanaovana izany eto an-drenivohitr’i Mahajanga. Ary raha nikasa hanao izany aza izy tsy maintsy nitondra fitaovam-piadiana », hoy izy.

Miantso ny lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ireto fianakaviana ireo mba handray fepetra farany izay haingana fa raha tsy misy izany fandraisana andraikitra izany dia ho avy izy ireo amin’ny angady sy ny harona hamaly faty eny amin’ny toerana nitrangan’izao raharaha izao.

Tsara ho marihina fa very nandritry ny fotoana namonoana an’i Bruno ny lelavola 200 000 ariary sy ny findainy izay voalaza fa raitra dia raitra tokoa. Samy miandry ny mety hotohiny rehetra hatreto.

Papin

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés