Webradio

ANDRANOMADIO 11/41 : Nodakadakan’ilay Frantsay vadin’ilay vehivavy maty ireo mpiandry faty

Tranga tsy fahita no niseho tao Andranomadio 11/41 ny talata lasa teo, tokony tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. 11 juillet 2012

Araka ny efa nitaterana azy teto amin’ny Gazety Ino Vaovao Toamasina, ny 11 jolay, dia vadina teratany Frantsay iray no maty nisy namono tao Andranomadio 11/41 ny alin’ny alahady.

Tonga teny an-toerana araka izany ilay vazaha lahy vadiny monina eto Toamasina ary efa miaraka amin’ny vehivavy hafa. Noroahiny hiala tao anaty lakoro sy tao an-trano ireo mpiandry faty. Tsy vitan’izany fa nodakadakany ireo olona izay sady narahin’ny teny fandroahana sy teny ratsy « Allez dégage putain ! ».

Niala tao, araka izany, ireo fokonolona sy ireo havan’ny maty. Tsy vitan’izany fa nalain’ilay vazaha koa ireo vola fao-dranomaso ka nomeny ny zandrin’ilay sakaizany niaraka tonga taminy tao amin’ilay trano misy ilay razana. Io fihetsika io no tena tsy tantin’ireo havan’ny maty, ka niantso ny Fip avy hatrany. Tonga teny an-toerana ny Fip, izay notarihin’ny Commandant, Rafaliarivo Jules. Nosamborina avy hatrany ilay vazaha niaraka amin’ny zandrin’ny sipany, ary efa mandeha ny famotorana ataon-dry zareo eo anivon’ny Police Judiciaire eto Toamasina momba ity raharaha ity.

Voalaza fa nametraka fitoriana ireo havan’ny maty ary mitazona ilay vazaha ho « tompon’antoka tamin’ny famonoana ny havan’izy ireo ». Marihina fa miaramila frantsay efa misotro ronono izy io. Ny talata tolakandro no nalefa any Tsaratanàna, Kaominina Ambatoaranana, Distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana ny razana.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés