Napetraky ny Cst Rabetsaroana Sylvain, mazava ny tsy fahatokisany intsony ny fanelanelanan’ny Gic, izay « efa nampiseho ny fara fahaizany ».
Tsy hahavaha olana
« Tsy hahavaha ny olana eto Madagasikara velively ny fihaonana kasain’ny Sadc karakaraina eo amin-dRajoelina sy Ravalomanana. Ny fisisihan’ny Sadc hikarakara io fihaonana io dia midika fa mampiseho ankolaka ny tsy fahombiazan’ny fampiharana ny Tondrozotra sy ny fiaraha-mitantana ny Vondrona iraisam-pirenena », hoy ny Cst Rabetsaroana Sylvain, hentitra.
Fanontaniana no napetrak’ity Parlemantera ity : « Inona no tena tanjona amin’io fihaonana io ? Sa fitiavana te hamerina an-dRavalomanana Marc eto Madagasikara sy hampidirana azy ho isan’ny kandidà amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena fotsiny ? ». Ny talata lasa teo mantsy ireo mpikambana eo anivon’ny Sadc telo lahy miasa etsy amin’ny biraom-pifandraisana etsy Ankorondrano, no nihaona tamin’ny mpikambana eo anivon’ny Cst teny amin’ny Lapa Anosikely. Ankoatra izay, dia nolazain’ity Senatera teo aloha ity fa betsaka ny Malagasy manana traikefa sy manam-pahaizana fa tsy voatery miandry foana ny avy any ivelany akory amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny Firenena.
Vaky bantsilana
Novakian’ity mpikambana ao amin’ny Cst ity bantsilana teo imason’ireo solontenan’ny Sadc ireo ny fiangarana ataon’ny Vondrona iraisam-pirenena amin’ny famahana ny krizy malagasy. « I Madagasikara no nisava lalana tamin’ny hetsi-bahoaka nentina nanoherana ny jadona, ary narahin’ny Firenena hafa nandritra izay telo taona izay. Tsy mba nosokajian’ny Vondrona iraisam-pirenena ho fanonganam-panjakana toy ny teto Madagasikara mihitsy anefa ireo hetsika tany amin’ny firenena hafa ireo », hoy ity Parlemantera Avi ity.
« Tany Tonizi, ohatra, dia nohelohin’ny Fitsarana toniziana i Ben Ali, saingy tsy nisy na iray aza nanohitra io valim-pitsarana io. Toy izany koa ny nitranga tany Ejypta. Nentina nanoloana ny Fitsarana ihany koa i Hosni Moubarak, saingy nangina tanteraka ny sehatra iraisam-pirenena ary tsy nahenoam-peo mihitsy. Farany, nametra-pialana toa an-dRavalomanana Marc ihany koa iry farany saingy tsy mitovy ny fijerin’ny Vondrona iraisampirenena izany », hoy hatrany ny fanazavana nentin- dRabetsaroana Sylvain.
Misy mpisolelaka
Raha ny resaka nivoaka nandritra izany fihaonana izany dia angady tsy mahatapaka ahitra akory ireto telo lahy avy amin’ny Sadc ireto satria mbola tsy maintsy maka ny hevitry ny any amin’ny foiben’izy ireo raha misy zavatra resahina sy handraisana fanapahan-kevitra momba ny krizin’i Madagasikara. Tsy vitan’izay, fa tadiavin’izy ireo tsy hametraka fanontaniana amin’izy telo lahy ireo mpikambana eo anivon’ny Cst mikasika izay resaka manitikitika azy ireo ary miseho manambonimbony tena izany.
Ny tena mahavalalanina dia misy hatrany ny mpisolelaka amin’ny vahiny. Isan’ny nampiaiky volana ny rehetra ny fihetsiky ny profesora Tehindrazanarivelo nanoloana ireto iraky ny Sadc ireto. Izy indray no nanao fihetsika nampiseho tamin’ny Sadc fa tora-po fotsiny no ataon’ireo mpikambana Cst namany ary tsy vitan’izay, fa mitady hanampim-bava. Ireo Sadc telo lahy anefa dia sahy manao eson-teny ary tsy nihambahamba nilaza, fa « ny Firenenareo anie marary ary tsy voavahanareo tao anatin’ny telo taona ». Nasehony mihitsy fa mpanompo vahiny izy ireo.
Tiana Rakoto
Mitombo isa ireo ankizy mbola tsy ampy taona mivaro-tena ao amin’ny faritanin’i Toamasina GARE ROUTIERE (202) 17 juin 2013
Tovolahy maty voalaza fa novonoin’ireo mpanao mena mahazo BAZARIMAY ANKIRIHIRY (152) 14 juin 2013
« Milamina tsara ny eo anivon’ny fibaikoana ny Tafika malagasy » NDRIANARIJAONA ANDRÉ (138) 19 juin 2013
« Rajoelina sy Ravalomanana no tokony hampihaonina voalohany » RASAMIMAKA MAHEFALAHY (99) 17 juin 2013
Mamelo-maso ny toekarena malagasy ny kaompania Ambatovy FANADIOVANA NIKELA (91) 14 juin 2013
Mampihoron-koditra ny herin’ireo basy vita gasy TSY FANDRIAMPAHALEMANA (89) 14 juin 2013