Webradio

MANJAKARAY : Zazalahy 10 taona maty tamin’ny hafahafa sy mampatahotra

Ankizilahy kely vao 10 taona no namoy ny ainy, teny amin’iny faritra Manjakaray iny ny Sabotsy alina lasa teo. Araka ny fanazavana dia hafahafa ny fomba nialan’ity zazalahy kely ity aina satria dia nivoaka tain’akoho ny vavany. 13 juillet 2012

Nalevina ny alarobia teo moa ity ankizilahy ity. Araka ny fanazavan’ireo ray aman-dreniny dia nilalao niaraka tamin’ny namany mpiray tanàna aminy izy ny Alarobia talohan’izay. Amin’ny maha ankizy dia nitoratoraka izy ireo. Voatoraka tamin’izany ny akohon’olona iray mpiray tanàna aminy ka naratra ary maty mihitsy. Namoaka vava anefa ny tompon’ilay akoho fa izay mahazo ny akoho ny dia hihatra amin’ilay tovolahy kely avokoa.

Notorahan’ny tompon’ilay akoho tamin’ny zavatra hafahafa ny lohan’ilay ankizilahy ka voa tao amin’ny hatony. Raha ny fanazavana dia zavatra maivana dia maivana ity nahavoa ilay tovolahy kely ity. Ny harivan’iny dia nitsipatsipaka ilay tovolahy kely rehefa tonga tao an-trano ary nikiakiaka toy ireny akoho ireny.

Nilaza ho narary mafy izy ka ny lohany no tsy zakany, ary rehefa matory dia milaza ho mahita ilay ramatoa sy ilay akoho foana. Nomena fanafody saingy tsy nampiafana ny aretina izany. Taorian’izay dia nivoaka tain’akoho ny vavan’ity ankizy lahy ity ary tapitra ny ainy.

Ireo ankizy niaraka nilalao taminy no nilaza tamin’ny fianakavian’ny maty fa ramatoa efa lehibe no tompon’ilay akoho no nitoraka azy. Rehefa nojerena anefa tao amin’ny trano fonenan’ity ramatoa ity dia tsy hita tao intsony izy. Voalazan’ny mponina manodidina kosa fa efa betsaka no mitondra faisana amin’ny ataon’ity ramatoa ity.

Tiaray R

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés