Nandamòka hatrany anefa izany tetika maizina izany. Araho ny fanadihadiana…
« Ny fiokoana nataon’ireo andiana Zandary avy amin’ny hery vonjy taitra Fign, (Force d’intervention de la Gendarmerie), ny 20 mey 2010 notarihin’ny Kolonely Andrianjafy Raymond, teny amin’ny toby Fort Duchesne, ny fikasana hanongam-panjakana nataon’ny Jeneraly Rakotonandrasana Noël, ny Kolonely Randrianasoavina Charles, ny Jeneraly Raoelina sy ireo Manamboninahitra avy eo anivon’ny Tafika mpomba ny Filoha teo aloha tamin’ny 17 novambra 2010 teny amin’ny Bani Ivato ary ny fakana an-kery ny toby miaramila eny amin’ny 1er Rfi Ivato », ireo no karazana fanonganam-panjakana telo niseho tao anatin’ity Fitondrana tetezamita ity. Ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc avokoa no tao ambadik’ireo fikasana hanao fanonganam-panjakana intelo nifanesy ireo. Hita taratra nandritra izany hetsika izany fa nisy dian-tanan-dRavalomanana Marc avokoa izany.
Mpamono olona
Nandritra ireo fanonganam-panjakana telo nifanesy ireo dia olona fito no maty. Tamin’ny fiokoana nataon’ireo Zandary vitsivitsy notarihin’ny Kolonely Andrianjafy Raymond no tena nahafatesana olona betsaka tamin’izany, izay nisy efatra. Ny roa tamin’ireo dia Zandary ka iray avy amin’ny Fis (Force d’intervention spéciale), ny faharoa dia avy tamin’ireo mpioko, ny fahatelo dia Mpitandrina Fjkm avy amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ary ny fahefatra farany dia raim-pianakaviana iray mpomba an-dRavalomanana Marc.
Ireo rehetra ireo dia maneho amin’ny vahoaka malagasy fa olona lian-dra sy mpamono olona izy. Matetika dia isaky ny vanim-potoana handraisana fanapahan-kevitra lehibe momba ny raharaham-pirenena no miseho hatrany izany tetika maizina ataon-dRavalomanana izany.
Raha ny vaovao nangonina sy notrandrahana nanodidina iny fanonganam-panjakana niseho tamin’ny 20 mey 2010 iny, dia « nikasa hody Ravalomanana Marc tamin’io fotoana io ka ireto andiana Zandary notarihin’ny Kolonely Raymond ireto no nikasa hiaro azy ary nikasa hamahatra teny Andrainarivo. Nandamoka tanteraka anefa izany ». Ny faharoa indray dia tamin’io fotoana io no natao ny latsa-baton’ny Fitsapankevibahoaka mahakasika ny Lalàmpanorenana hitondrana ny Repoblika fahefatra. Ny fahatelo indray dia ity niseho omaly ity.
T R
Kandidà iray tsy mitsahatra manaratsy ny Filoha Rajoelina POLITIKA EFA LANY ANDRO (555) 13 juin 2013
Zaza kambana hatao sorona amin’ny masoandro ho fitadiavam-bola RN 5 - TANAMBAO NOSIBE (334) 13 juin 2013
Mitombo isa ireo ankizy mbola tsy ampy taona mivaro-tena ao amin’ny faritanin’i Toamasina GARE ROUTIERE (189) 17 juin 2013
Mitaky ny fandravana ny CES i Roland Ratsiraka ANTOKO MTS (173) 13 juin 2013
Tovolahy maty voalaza fa novonoin’ireo mpanao mena mahazo BAZARIMAY ANKIRIHIRY (141) 14 juin 2013
Raikitra ny fanoloana ireo parlemanta CST sy CT sasany RAHARAHAN’ANTOKO (130) 13 juin 2013