Webradio

BEALANANA : Mpangalatra omby matin’ny fitsaram-bahoaka ny alin’ny 5 aogositra lasa teo

Dahalo roa no hitan’ny olona nandroaka ombin-tsarety roa ny alin’ny 5 aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. 13 août 2012

Nanararaotra ny fahasahiranan’ny olona tao amin’ny tanànan’Ambodimadiro, Kaominina Antanananivo Ambony, any amin’iny Distrikan’i Bealanana izy ireo, ka nanararaotra nitondra omby miisa roa namakivaky ny tanàna. Sendra nisy fahoriana mantsy tao amin’io tanàna io ka niandry faty avokoa ny mponina.

Na izany aza anefa dia nisy ihany ireo vatan-dehilahy sasany izay manatanteraka fiambenana. Tamin’izay fotoana izay anefa no hitan’izy ireo ireto mpandroaka omby ireto ka narahin’izy ireo ny diany. Raha vao nahita ny fokonolona nanara-dia anefa ireto dahalo ireto dia nitoraka lefona avy hatrany. Nanohitra ny fokonolona ka azo sambo-belona ny iray tamin’izy ireo ka nodarohan’ny fokonolona. Nentina teny amin’ny tobim-paritry ny Zandary ihany izy avy eo saingy teny an-dalana dia tapitra ny ainy. Ilay iray kosa no nitondra ny omby nitsoaka ka eo am-pitadiavana azy ny Zandary any an-toerana amin’izao fotoana izao.

Tiaray R

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés