Raha atambatra dia olona telo no namoy ny ainy noho ny asan-jiolahy io vao tsy ela izay, ankoatra ireo halatra sy vaky trano mifanindrin-dalana amin’izany.
Vao ny zoma alina teo tokony ho tany amin’ny valo ora dia mpitondra posy bisikileta iray no maty novonoin’ny dahalo teo anoloan’ny fasana vazaha ao amin’ny fokontany Tanambao Morafeno. Araka ny fitantaran’ilay mpandeha posy dia saika haka firavaka teny aminy, izay nentin’io posy bisikileta io ireto dahalo, saingy nandrara ilay mpitondra posy mba tsy hikasihan-tanana ilay olona entiny sy tsy hakana ny fananany. Naheno izany ireo dahalo dia nifandrombaka namely ilay mpitondra posy. Vaky nandositra noho izany kosa ilay ramatoa no sady niantso vonjy, teo amin’ny hotel Croix du Sud. Ilay rangahy mpitondra posy efa tsy nisy aina vokatry ny tsindrona antsy nahazo azy no novantanin’ny fokonolona saika hamonjy. Ireo olon-dratsy kosa dia efa vaky nandositra niditra tany anatin’ny fasana.
Mbola tamin’io alina io ihany dia fiangonana zandriny iray tao Andaboly no nisy namaky ka lasa avokoa ny entana tao anatiny. Taloha kelin’io tranga io koa dia mpivarotra avy ao amin’ny bazar Scama izay handeha hody any Betania no narahina olona roa. Efa nahafantatra anefa ilay rangahy fa olon-dratsy no manaraka azy, ka raha vao nahazo lalana teritery izy dia rafitra nihazakazaka nandositra. Raha nahita izany ireo olon-dratsy dia nitifitra fa tsy nahavoa ilay rangahy fa zaza mpandalo no niantefan’ny bala ka maty tsy tra-drano ihany koa. Vao tsy ela ary efa noentina teto ihany koa ny momba ilay fanafihana teny Anketrake izay nahafaty rangahy iray sy nahalasana omby 27.
Ahiana ho antony mampirongatra izao tsy filaminana izao ny fanararaotan’ireo jiolahy amin’ny tsy fisian’ny mpitandro filaminana mivezivezy miambina na amin’ny alina na antoandro.
Very tanteraka ilay araka izany ilay anarana mampahalaza an’I Toliara hoe « tsy miroro » satria dia tsy afaka mivezivezy hariva na alina intsony ny ankamaroan’ny mponina noho ny tsy fandriampahalemana.
Bems
JENERALY RAVALOMANANA RICHARD (291) 15 mai 2013
Namoaka biletà tokana amin’ny endriny vaovao ny Cenit FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA (212) 17 mai 2013
« Tra-tehaky ny Zandary ilay mpandraharaha naniraka » MPANENDAKA NAMPIASA BIG BOSS (190) 15 mai 2013
Nodimandry ny alakamisy teo ny Pasitera Andriamanjato Richard MISAONA NY POLITIKA (133) 17 mai 2013
Mpandeha efatra naratra navadiky ny Bajaj teo amin’ny lalana PK5 LOZAM-PIFAMOIVOIZANA (133) 17 mai 2013
Naaton’ny Vondrona Eoropeana ny fanampiana ara-bola FAMATSIANA NY FIFIDIANANA (100) 17 mai 2013