Nasain’ny Filoha Zuma Jacob, mitondra ny rafitra misahana ny fiaraha-miasa politika sy ny filaminana eo anivon’ny Sadc, hiatrika fivoriana any an-toerana ny Filoha Rajoelina Andry. Omaly tamin’ny 6 ora hariva (ora mozambikana) no nanombohan’io fivoriana io
Araka ny fampitam-baovao ofisialy avy eny Ambohitsorohitra dia niainga ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 11 ora maraina ireo delegasiona notarihin’ny Filohan’ny tetezamita, Rajoelina Andry.
Tsikaritra, fa nisafidy manokana ny mpitantana ambony misahana ny filaminana ny Filoha mba hiaraka aminy amin’izao diany izao. Isan’ny mandrafitra izany delegasiona izany ny lehiben’ny Komity miaramila miandraikitra ny filaminana eto amin’ny Firenena (Cmdn), ny Jeneraly Rabarisoa Ranto, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jeneraly Randrianazary sy ny lehiben’ny Fari-piadidian’ny Zandary eto Antananarivo (Cirgn), ny Jeneraly Ravalomanana Richard.
Ankoatra izay, dia isan’ny miara-dia amin’ny Filohan’ny Tetezamita any Maputo ihany koa ny mpanolotsainabtn Ratsirahonana Norbert Lala sy ny Talen’ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny Prezidansa, Rajaona Annick.
Mbola araka io fampitam-baovao ofisialy io ihany no nahafantarana, fa nialoha ny tena nialany an’i Madagasikara dia niantsona teknika tao Morondava ny fiaramanidina nitondra ny delegasiona tarihin’ny Filohan’ny Tetezamita.
Misy antony
Tsy fantatra mazava anefa ny fanazavana ny anton’io fivoriana an-tampony io, saingy heverina kosa fa tohin’ny fihaonana nandamòka natao indroa miantoana tany Seychelles. Matoa ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny filaminana ireo no noentin’ny Filoha Rajoelina any Maputo miaraka aminy, dia misy antony manokana mahakasika ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc.
Voafaritra ao anatin’ny Tondrozotra rahateo, fa « ny Fitondrana Tetezamita no miantoka ny fodian’ity Filoha teo aloha ity sy ny fiarovana azy vao afaka miditra eto izy ». Ny tsy azo hodian-tsy hita anefa dia nohelohin’ny Fitsarana malagasy noho ny raharaha famonoana ny mpitolona tamin’ny 7 febroary 2009 izy ary mbola miandry azy izany didim-pitsarana izany. Efa ireny niaraha-nahita tamin’ny fampahalalam-baovao ireny fa tadiaviny tsy henjehina ara -pitsarana izy raha miditra eto. Ny Tondrozotra anefa dia milaza ihany koa, fa « tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana malagasy ny Sadc saingy ny teratany iray dia manan-jo feno hody amin’ny taniny ».
Manginy fotsiny ny mbola fiziriziriany hilatsaka ho kandidà Filoham-pirenena, nefa efa naloam-bahoaka noho ny tolona tamin’ny taona 2009 ary nanao sesitany ny tenany any Afrika Atsimo izy.
Ireo Manamboninahitra ambony ireo dia vavolombelon’izany tantara izany, ka azo inoana fa tsy hitazam-potsiny ny zavatra tsy nety nataon-dRavalomanana Marc teto Madagasikara, ka azo lazaina fa izay no antony nitondran’ny Filoha Rajoelina azy ireo any Maputo amin’izao fotoana izao.
Tiana R.
Namoaka biletà tokana amin’ny endriny vaovao ny Cenit FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA (300) 17 mai 2013
Mpandeha efatra naratra navadiky ny Bajaj teo amin’ny lalana PK5 LOZAM-PIFAMOIVOIZANA (211) 17 mai 2013
Nodimandry ny alakamisy teo ny Pasitera Andriamanjato Richard MISAONA NY POLITIKA (199) 17 mai 2013
Naaton’ny Vondrona Eoropeana ny fanampiana ara-bola FAMATSIANA NY FIFIDIANANA (123) 17 mai 2013
Manahy ny ho fahavitsian’ny mpitsidika ireo mpandraharaha HARATSIAN-DALANA FOULPOINTE (105) 17 mai 2013
82 ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ity taona ity TOAMASINA RENIVOHITRA (79) 17 mai 2013