Webradio

ANTETEZAMBARO - TOAMASINA FAHAROA : Ben’ny tanàna voarohirohy ho nisoloky tany

Nitrangana halatra tany avo lenta ny tao amin’ny Kaominina Antetezambaro Toamasina Faharoa. Tany manana velarana 70 185 m² ary efa voasoratra ara-dalàna (titré-borné). 5 tapitrisa Ariary no namarotana ilay tany. 17 août 2012

Mpandraharaha teratany Karàna iray no nividy azy. Rehefa nanomboka nanao fanajariana ilay Karàna nividy ny tany, no tonga avy hatrany ireo tena tompony miaraka amin’ireo antontan-taratasy mazava. Naverin’ilay Karàna tamin’ny tena tompony ilay tany.

Tsy nijanona teo ny raharaha, nitory ireo olona nivarotra ilay tany taminy ilay voasoloky. Olona efatra, araka izany, no voarohirohy tamin’ilay raharaha, ka Ben’ny tanàna ny iray, mpiasan’ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany (Bif) iray, olon-tsotra iray ary ny lefitry ny sefo fokontany. Raha ny fantatra, dia efa maherin’ny 8 000 000 Ariary ny totalim-bola lanin’ilay Karàna nividianana sy nikarakarana ilay tany.


Nanao raharaham-pivahanana

Niaka-pofona ilay Karàna voasoloky ary nangataka ny trano fonenan’ilay Ben’ny tanàna mba atao antoka ho solon’ny volany voasoloky. Fantatra, araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaray, fa niroso tamin’ny fanaovana raharaham-pivahanana ilay Ben’ny tanàna ka nanaiky hanonitra ilay vola 8 000 000 Ariary an’ilay karàna ka efaina 1 000 000 Ariary isam-bolana ao anatin’ny valo volana.

Maneho araka izany ity tranga ity fa misy olona azo ambara fa tsara toerana no ambadik’ireny halatra tany ireny eto Toamasina.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés