Webradio

FAHAFATESAN’I NADINE RAMAROSON : « Havoaka amin’ny septambra ny marinarehetra mikasika izany »

Nandritra ny fotoam-pahatsiarovana ny nahafatesan’ny minisitry ny Mponina teo aloha teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, ny 28 aogositra 2012 teo no nanambaran’ny rahalahan-drainy, Ramaroson Alain, fa « hamoaka ny marina rehetra mikasika izany ny fianakaviana raha tsy mbola misy vokany ny fikarohana ny nahafatesan’ny zanakay, Ramaroson Nadine, nataon’ny Fitondram-panjakana ». 29 août 2012

Nohamafisiny, fa mbola manjavozavo izany fanadihadiana izany hatramin’izao na efa herintaona aza izao no nahalasanany.

« Efa imbetsaka izahay no nampirisika ny Fitondrana hanao izany fanadihadiana izany tamin’ny alalan’ny gazety sy ny haino aman-jery, saingy tsy mbola nisy vokany hatramin’izao. Tokony hampidirina am-ponja izay olona tokony higadra amin’izany. Mitsahatra hatreo ary ampy izay ny fampitahorana lava ny fianakavian’ireo Olomanga namoy ny ainy hatramin’izay », hoy ihany izy.

Nanatrika ity fotoana ity ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita, ny mpikambana amin’ny Cst sy Ct, ny Praiminisitra lefitra miadidy ny Toekarena sy ny Indostria, ny minisitry ny Mponina, ny minisitry ny Atitany, ny minisitry Fahasalamam-bahoaka sy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga.

Tonga maro teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ihany koa ireo karazam-pikambanana maro izay natsangany sy nahazo soa taminy niaraka tamin’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy niaraka taminy.

Nametrahana takelam-pahatsiarovana tetsy amin’ny minisiteran’ny Mponina

« Aiza ary ho aiza ianao ry Malagasy ? », fanontaniana nitadiavan-dRamaroson Nadine valiny izany nandritra ny fotoana nitantanan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy ka hatramin’ny fotoana nahafatesany. Notsarovana ny talata 28 aogositra lasa teo ny daty nahafatesany tampoka tany Soanierana Ivongo vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy. Tsy izy irery ihany anefa no notsarovana fa ireo mpiara-miasa aminy enina mianadahy, izay niara-namoy ny ainy taminy.

Nisy ny fanompoam-pivavahana natao teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Narahina fampirantiana an-tsary ny asa natao nandritra ny fotoana naha-minisitra azy ireny ary avy eo dia nisy ny fitokanana ny takela-pahatsiarovana azy vita amin’ny marbra teny amin’ny minisitera notantaniny, eny Ambohijatovo. Samy nankalaza ity fotoana ity avokoa ny renivohi-paritany teto Madagasikara ary ny tany Soanierana Ivongo dia filaharam-be nanemitra ny arabe no nataon’ny mponina.
Azo ambara fa fotoana izao mba hanaovana jery todika kely ny tantaram-piainany. Teraka tamin’ny 28 mey 1958, tao « Maison Alfort, Paris-France », Ramaroson Nadine Laura Eugénie Charlotte ary zanaka vavimatoan-dRamaroson André sy Andriatsalama Odette. Dimy mianadahy izy no mpiray tampo ka efatra no vavy ary iray lahy.

Efa hatramin’ny fahazazany no tia olona Ramaroson Nadine, ka tsy nisy olana mihitsy ny fifaneraserany tamin’ny sokajin’olona samihafa. Na avy amin’ny fianakaviana manan-katao aza izy, dia tsy mba nanava-tena na nanavaka olona fa mitovy avokoa ny fandraisany ny olon-drehetra, na sahirana ara-pivelomana na manana ny ampy. Nandranto fianarana ambaratonga voalohany tao amin’ny Sekoly « Saint Joseph de Cluny » Faravohitra izy, hatramin’ny taona 1972. Nanohy ny fianarany tamin’ny ambaratonga faharoa tao amin’ny Sekoly Saint Antoine Andravoahangy, tao amin’ny Lycée Française Antananarivo, ary tao amin’ny « Ecole des Roches » France, izay nahazoany ny Bakalorea sokajy A sy B.

Niditra tao amin’ny « Ecole hôtellière international » de Lion sur Montreux-Suisse izy ny taona 1977 nanao ny fianarana momba ny « hôtellerie » nandritra ny telo taona, ary nahazo ny mari-pahaizana ambony momba izany. Mahay fitenim-pirenena vahiny enina izy, dia ny Frantsay, Anglisy, Italiana, Espaniola, Alemana sy Holandey.

Voataiza tamin’ny fitiavan-tanindrazana izy, ka tsy nanaiky lembenana ny fanjakazakan’ny vazaha, na tamin’ireo iray kilasy taminy teto Madagasikara sy tany am-pita aza. Noho ny fananany hambom-po sy finiavana hitolona amin’ny fiainana anefa, dia nirotsaka teo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany izy raha vao nahavita ny fianarany ka niasa tao amin’ny Hôtel iray tany Genève-Suisse no nataony. Nataony avokoa izay asa rehetra, hatramin’ny famafana trano ka hatramin’ny « secrétaire de direction ». Hita tamin’izany fiainany izany fa olona tsy niavona asa na nifidy asa natao Ramaroson Nadine, fa nahafaly azy sy nohajainy avokoa izay asa rehetra niandraiketany. Olona tia manao zavatra tonga lafatra izy, ka tsy amelany raha tsy mahafapo azy. Hita taratra izany na tao amin’ny orinasam-pianakaviany, na tao amin’ny minisotera izay notantaniny. Sady niasa izy no nanangana ny orinasany voalohany tany ivelany, « Made in sun corporation » (Madisco), nanomboka ny taona 1987, orinasa mivarotra ny vokatra avy aty Madagasikara, ary koa mividy sy mandefa akora fototra mankaty amin’ny Nosy.

Nifototra tamin’ny fanodinana ny orinasany izy nanomboka ny taona 1990 ka nanorina taty Madagasikara ny « Biomad S. a », izay nanondrana letisia, vanila, jirofo, « cannelle », dipoavatra tany Eoropa sy Kanada, izay nahazoany mari-pankasitrahana indroa miantoana dia ny 2003 sy 2005 (Golden award for quality), saingy tsy nety noraisiny satria nampandoavina vola izy vao mahazo izany. Nihevitra izy sao atao hoe novidina no nanomezana izany ka nolaviny. Anisan’ny mpifaninana tamin’ny tambajotra eoropeana tamin’ny varotra vanila izy, ka tsy nanaiky fampitahorana ny fivarotana io vokatra io tamin’ireo mpanjifa tany Eoropa, ka teo no namoahany ny horonantsary mitondra ny lohateny hoe « Absolu de vanille », izay namakiany bantsilana ny asa ratsin’ny tambajotram-barotra izay nitady hanao ampihimamba (mônôpole).

Tsy nanadino ny Tanindrazana

Tamin’ny tolom-bahoaka 2002, dia anisan’ny niady mafy tamin’ny fiakaran’ny Filoha Ravalomanana Marc teo amin’ny Fitondrana izy, tany amin’ny faritr’i Eoropa tany. 30 taona no nipetrahany tany Genève Suisse, ka ny taona 2004 izy no niverina an-Tanindrazana rehefa nahita ny fomba ratsy samihafa nampahantrana ny mpiray Tanindrazana aminy.

« Directeur marketing » tao amin’ny orinasa Savonnerie tropicale S. A izy nanomboka ny taona 2005 ka nitety faritra maro farany lavitra indrindra tamin’ny fanentanana momba ny varotra sy ny fahadiovana ary ny fahaizana midio. Izay rehetra nahakasika ny sosialim-bahoaka dia nidirany avokoa, fa io sosialim-bahoaka io no maha saro-piaro azy fatratra. Io no mampahantra ny vahoaka malagasy, io no miteraka tsy filaminana sy fikorontanan’ny tokantrano, io no miteraka ny halatra sy ny herisetra isan-karazany. Ankoatra ny asa mahazatra ny minisiteran’ny Mponina teo aloha, izay nifantoka tamin’ny fanampiana ireo marefo ara-pahavelomana (olona sahirana, zokiolona, manana fahasembanana, kamboty, tsy misy mpiahy…), dia niitatra tamin’ny fampandrosoana ara-tsosialy hialana amin’ny fahantrana ny tetikasan’ny minisitera, ka ankoatra ny fanampiana ireo sahirana sy ny zokiolona ary ny manana fahasembanana sy kamboty ireo, dia nizara masomboly sy fitaovam-pamokarana madinika tamin’ireo tantsaha sy fikambanam-behivavy maro manerana ny Faritra maro izy. Tsy vitan’izay, fa niady mafy tamin’ny tsy fanajana ny zon’ny vehivavy niharan’ny herisetra ara-batana sy ara-nofo ary ny fampijaliana araka asa teny amin’ny orinasa afaka haba sy tany Liban. Niaro mafy ireo mpivarotra amoron-dalana noraofin’entana sy ireo fokonolona noroahina tamin’ny tany namboleny na noravana trano fonenana koa izy. Anisany iray nanenjehan’ny sokajin’olona sasany azy aza izany fiarovana ny madinika izany, ka niampangana azy ho miditra amin’ny tsy tokony hidirany. Tsy nampihontsona azy anefa izany satria efa mpitolona ho an’ny sosialim-bahoaka sy fiarovana ny zon’ny iharan’ny tsindry hazolena hatramin’izay izy.

Mendrika atao maodely

Nambarany ombieny, fa ny « fitiavan-tanindrazana dia ny fitiavana ny mpiray Tanindrazana amin’ny tena, fa tsy ilay tany fotsiny ». Ambetin-dresany koa ny hoe « misy ny ory hava-manana ary misy ny faly havan’ory ». Kolontsainy ihany koa ny hoe « aza manambany olona na manambony olona, na manambany tena na manambony tena ».

Nahavita lalana 160 000 km Ramaroson Nadine nandritra ny roa taona sy telo volana naha-minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy azy. Voatetiny avokoa ny Faritra 22 sy ny Distrika 119, ary Kaominina sy Fokontany maro, hatramin’izay tsy tongan’ny fiarakodia hatry ny ela aza. Fiteniny mantsy ny hoe « tsy misy fotony ny fampandrosoana ny Firenena raha tsy miainga avy any ifotony ».

Ny hanampy sy hampahery ireo vahoaka maro an’isa ianjadian’ny fahantrana eran’i Madagasikara no tanjony amin’izany, araka ny filamany hoe « tsy maintsy manakaiky ny vahoaka ny mpitondra, hisian’ny fiaraha-mientana sy fanantenana bebe kokoa », sy ny hoe « ny vahoaka no antom-pisian’ny Fanjakana, ka tsy mety raha malai-miondrika, tsy te hijery ny vahoaka lavitr’andriana, ny Manampahefana sasany ».

Tsy nekeny mihitsy izany hoe « Firenena manan-karena toa an’i Madagasikara nefa mahantra fadiranovana ny mponina ao aminy ». Izany rahateo no naharesy lahatra azy handray ho filamatra ny « Dina velirano sosialy », izay narafitr’ireo vondrom-pikambanana sivily 60 teo ho eo, tamin’ny volana avrily 2010, ka noheveriny hifamatoran’ny Mpitondra sy ny vahoaka amin’ny vanim-potoana rehetra, fa tsy hiovaova na hadino isak’izay miova Fitondrana. Io « Dina velirano sosialy » io rahateo no famelabelaran-kevitra farany nataony tamin’ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny Rnm tamin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra nomanin’ny fandaharana « Hevitra sy tetika » teto Antananarivo tamin’ny 26 aogositra 2011 teo. Ary ny tetikasa farany nomaniny dia ny fanangonana ireo antontan-kevitra rehetra mahakasika ny olana sosialy mahazo ny vahoaka manerana ny Fokontany 17 980 eran’ny Faritra 22, izay saika hatao ny 2 septambra 2011 izao, ka homena ny Fitondram-panjakana ho lasa politika nasionaly hifotoran’ny fampandrosoana sosialy eto Madagasikara, kanjo lasan’ny fahafatesana tampoka tany Soanierana Ivongo tamin’ny 28 aogositra 2011 izy, ka tapaka teo ny fikasany tsara rehetra, tahaka ny tsy nahazoany valiny ny fanontaniana hoe « Aiza ary ho aiza ianao ry Malagasy ? ». Izy anefa no lasa fa ny asa nataony sy ireo hafatra napetrany dia azo atao filamatra alain’ny fara aman-dimby tahaka eto amin’ny Firenena malagasy.

Tsy nanadino ny vehivavy

Isaky ny nitsidika Faritra na toerana iray izy dia namory hatrany ny vehivavy ary nanentana azy ireo ny tokony hananany firaisankina iadiana amin’ny fandrebireben’ny mpanao politika, ny tsindry hazolena ataon’ireo mpanam-bola, ny herisetra ao an-tokantrano na any ivelany, ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo Mpitondra, ny fahefa-mividy ambany, ka nomeny zavatra amidy angalan’ny vondrom-behivavy tombony sy anodinany ny renivola ividianana zavatra indray. Nahatratra 72 000 000 Ariary na 360 000 000 Ia ny vidin’ny entana napetrany eran’i Madagasikara ary volany manokana no nividianany izany (hita fa tena nahafoy tokoa izy ary niezaka nanarina ny fiainan’ny vehivavy, indrindra ireo tany amin’ny toerana faran’izay lavitra sy tena sahirana).

Ankoatra ireo, dia nisy fitaovana avy ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy nozarainy mba hampiasaina hanatsarana ny fari-piainan’ny vehivavy, ohatra : milina fanjairana, milina fitotoam-bary, angady, angadin’omby, borety, masomboly voafantina, arrosoir, sy ny sisa. Tsy vitan’ny nanampy ny vehivavy fotsiny izy, fa teo koa ireo tanora mpanao fanatanjahantena izay nomeny « maillots, baolina, coupe » mba hialana amin’ny fivarinana amin’ny fifohana na fisotroana zava-mahadomelina. Izay rehetra nila fanampiana ka tratry ny sora-bola tao amin’ny minisitera na tratry ny tany am-paosiny dia nomeny avokoa ary tsy nitsahatra nankahery sy nampirisika izy amin’ny tokony hanaovana ezaka miaraka tsy iantehatra afa-tsy amin’ny herin’ny tena tsy miandry hotoloram-potsiny. Ampahany amin’ny lalam-piainany ireo notanisaina ireo fa anjarantsika no mandray ny tsara sy ny ratsy amin’izany.

Nangonin’i Jenny Razakason Inona no Vaovao

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés