Webradio

TRANGA

NOSEMBANIN-DRAHONA NY TV PLUS TOLIARA : Lozam-piarakodia namono olona efatra

Sarotra inoana, nefa dia zava-nisy. Ny sabotsy vao maraina be tokony ho tamin’ny roa ora no nisy fiara iray nidona tamin’ilay lampihazo saika hanaovana lanonana nitokanana ny fisokafan’ny TV Plus taty Toliara. 3 décembre 2012

Olona telo no maty teo no ho eo ary ny iray kosa maty ora maromaro taty aoriana.

Tokony ho tamin’ny sabotsy hariva teo no saika hatao ilay lanonana goavana, ho fanokafana amina fomba ofisialy ny Tv Plus Toliara, nefa nolalovan-drahona izany. Fiara iray avy any amin’iny lalana mihazo ny biraon’ny Faritra Atsimo Andrefana, no nirimorimo. Voalaza fa tsy hitan’ilay pamily mihitsy ireo Polisy izay nisakana sy nampirehitra jiro ho famantarana izany, fa dia lasa foana. Mbola naneho famantarana ihany koa anefa ilay mpiambina ny lampihazo, nefa dia zava-poana izany. Farany dia tafiditra tao anatin’ilay lapihazo ilay fiara, ka nahatonga ny fahafatesan’olona telo teo noho eo ny roa kosa mbola nentina tany amin’ny hopitaly, ny iray tamin’ireo dia tapa-tongotra, ary ilay ramatoa kosa, niady tamin’ny fahafatesana.

Tokony ho tany amin’ny 11roa antoandro ny sabotsy dia maty ihany ilay ramatoa. Isan’ny maty tamin’ireo ny proviseur-n’ny Lycée tekinika sy ny vadiny niampy zazakely iray sy ny reniny. Araka ny vaovao nomen’ny Polisy dia mamo ilay mpamily ary tsy nahitana famantarana ny fampijanonana ny fiara teo, izany hoe tsy nahitana diana hisatra (frein) akory. Noho izany dia nahemotra amin’ny fotoana manaraka, ny lanonana, izay saika hiarahana tamin’ny Tsiliva sy Rebona, fa ny fanokafana tamina fomba, ofisialy kosa, dia naroso ihany, tao amin’ny hotely Le Paletuvier.

Nandritra izany no nanehoan’ny tsirairay ny fahatongavan’ny TvPlus eto Toliara, saika niaky ny rehetra fa hitondra fandrosoana sy fahombiazana ny Tv plus. Ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, Dimby Francois Benaria dia nanambara, fa izy tenany mihitsy no hitondra ny demokrasia mialoha ny TvPlus ary hampihatra izany miaraka amin’ity televiziona tsy miankina ity. Nandritra izany ihany koa no nanolorana, ilay « fanion » ho famantarana ny fiaraha-miasan’ny Tv Plus Toliara sy Tv Plus Madagasikara. Nofaranana tamina fanalana hetaheta ny lanonana.

Bems

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés